Andininy Protestanta Malagasy 1 Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy noho ny sitrapon'Andriamanitra, mba ho mpitory ny teny fikasana milaza ny fiainana izao ao amin'i Kristy Jesosy, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9DC74D84-9677-40AD-8879-1167A507CD74 2 mamangy an'i Timoty, zanako malala: ho aminao anie ny fahasoavana sy ny famindrampo ary ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy Tompontsika. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4DE120DA-48A7-418C-862B-1690CEAD29D2 3 Misaotra an'Andriamanitra aho, Izay tompoiko araka ny ataon'ny razako amin'ny fieritreretana madio, fa tsy manam-pitsaharana akory ny fahatsiarovako anao amin'ny fivavahako andro aman-alina; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|73B45C0F-91B7-4E67-8414-86075AA8F962 4 ary maniry hahita anao aho [fa nandro aman-alina dia mahiry hahita anao aho] (satria tsaroako ny ranomasonao), mba ho feno fifaliana aho; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C6C68C7-19AA-459A-A5B3-204A48750FA2 5 fa nisy nahatsiarovako ny finoana tsy mihatsaravelatsihy izay ao anatinao, izay nitoetra taloha tao anatin'i Loisa renibenao sy Eonika reninao, ary matoky aho fa ao anatinao koa izany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|06AA4AE1-03C1-4EE8-8F90-11AE3F0E25D4 6 Ary noho izany dia mampahatsiaro anao aho mba hamelomanao ny fanomazam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra, izay ao anatinao tamin'ny fametrahako ny tànako. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|41C65F3F-8033-448C-B7BF-FAC0D7FF97B1 7 Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7734EBAD-990F-4B09-9177-06748FB76AFC 8 Koa aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika, na ahy mpifatony hianao; fa aoka hianao ho mpiombona ny fahoriana noho ny filazantsara araka ny herin'Andriamanitra, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DAD4C9F7-7CF1-4CBC-85E0-E627353FB09C 9 Izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin'ny fiantsoana masina, tsy araka ny asantsika, fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomena antsika tao amin'i Kristy Jesosy hatry ny fony fahagola; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|78B29E2E-DEB8-4E46-A6B8-19E42CD7CC17 10 fa naharihary ankehitriny tamin'ny nisehoan'i Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika, Izay nahafoana ny herin'ny fahafatesana, ka ny filazantsara no nampisehoany mazava ny fiainana sy ny tsi-fahalovana mandrakizay; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FFA9EA6A-F844-4E5B-8F04-C88BA6CB6094 11 ny amin'io filazantsara io no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly ary mpampianatra [mpampianatra ny jentilisa]. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6181E921-31F1-453E-8F70-FB138B038EE8 12 Ary noho izany koa no iaretako izao zavatra izao, ka tsy menatra aho, satria fantatro Izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia matahiry ilay zavatra natolotro [ilay zavatra natolony ahy]Azy mandra-piavin'izay andro izay. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0976B471-4CE3-4F13-8809-E78BBEEA17B7 13 Tano amin'ny finoana sy ny fitiavana ao amin'i Kristy Jesosy ny mariky ny teny tsy misy kilema [salama], izay efa renao tamiko. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8B400F3F-899B-4CA7-8B2B-B98568CC653B 14 Ilay zavatra tsara natolotra anao dia tehirizo amin'ny fampaherezan'ny Fanahy Masina, Izay mitoetra ao anatintsika. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B8FD643F-8659-459D-A9F1-D0B1C8B2A9DD 15 Fantatrao fa efa nahafoy ahy izay rehetra any Asia; isan'ireny Fygelo sy Hermogena. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|002E2B32-D08D-44A4-B9C2-B798B33DFFC8 16 Homen'ny Tompo famindrampo anie ny ankohonan'i Onesiforosy; satria namelombelona ny fanahiko matetika izy, fa tsy menatra ny gadrako; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B230B3C4-10D9-4D61-AE5E-5FCA212B962D 17 fa raha tany Roma izy, dia nitady ahy fatratra ka nahita qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|99789E1A-9BC0-4991-87DB-EA62B2DF5CA4 18 (ny Tompo anie hampahita azy famindrampo amin'ny Tompo amin'izay andro izay); ary ny hafatratry ny nanompoany ahy tany Efesosy dia fantatro tsara. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|82ACEA76-6002-41AD-8703-47C4E4CD71E8
|