Andininy
Protestanta Malagasy
1
Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9B291BD-15A6-4193-8F79-230797110D63
2
Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E4B99453-40AB-4623-8B1D-7B2F004D98FB
3
tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E7F787C-73A7-4E13-90CA-737C26D6881D
4
mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an'Andriamanitra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C73BC428-82BE-4CF4-B7C5-F8D8650BB6BF
5
manana ny endriky ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, nefa nandà ny heriny; ireny koa dia halaviro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6DE0A68-0043-4343-93EB-015913A50B4A
6
Fa isan'ireny izay misokosoko miditra any an-tranon'ny sasany ka mahalasa babo ny vehivavy adaladala, vesaran'ny fahotana, entin'ny filana maro,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|23CC8B09-913C-4602-9F6A-1D4A2E813073
7
mianatra mandrakariva, nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|45034359-20BC-47C9-8098-C706E3D6A755
8
Ary tahaka ny nanoheran'i Jana sy Jambra an'i Mosesy no anoheran'ireo koa ny fahamarinana, dia olona maloto saina sady tsy manam-pinoana marina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D6B332D5-E518-4644-A5F4-325FC2640B6C
9
Kanefa tsy handroso intsony izy; fa ny hadalany dia haseho amin'ny olona rehetra, tahaka ny an'ireo koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B06B277-81ED-4E3E-9F27-4CC487E1A0B4
10
Fa hianao kosa efa nanaraka tsara ny fampianarako, ny fitondrantenako, ny fisainako, ny finoako, ny fandeferako, ny fitiavako, ny faharetako,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|142A4448-58AF-4B0D-8E93-336ADEC8489F
11
ny nanenjehana ahy, ny fahoriana izay nanjo ahy tany Antiokia, tany Ikonioma, tany Lystra, dia ny fanenjehana izay niaretako; ary ny Tompo nahafaka ahy tamin'izany rehetra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|970129E3-8A3E-40BE-B00E-833C81B08A27
12
Eny, izay rehetra te-ho velona amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, izay ao amin'i Kristy Jesosy, dia henjehina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9D8393F-DBC9-4D34-AF10-165DBF7DCD79
13
Fa ny ratsy fanahy sy ny mpanoloky kosa dia handroso hiharatsiratsy kokoa sady mamitaka no fitahina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E7007147-4546-4E8A-B803-3AADEAF99EA3
14
Fa hianao kosa dia mahareta amin'izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao, satria fantatrao izay nampianatra anao izany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|101A9B9E-108B-4805-86A7-74079F1044FF
15
fa hatry ny fony vao zaza hianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay nampahahendry anao ho amin'ny famonjena amin'ny finoana izay ao amin'i Kristy Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E8B45121-D388-466C-8D65-062CDB4761E5
16
Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE643F14-600E-4366-B331-0A591F6C8558
17
mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9D67471D-2DD2-4F9D-8107-52D68A62B08A
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany