IITimoty 4: 1-22

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Eo anatrehan'Andriamanitra sy Kristy Jesosy, Izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny amin'ny fisehoany sy ny fanjakany, no ananarako anao mafy:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C7AEB888-2E9A-4468-9010-8890E88F241D
2
mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4C3D312F-DCFD-4665-A42A-DB6DCD13D0C7
3
Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F780AE1D-7F0F-4482-B43D-69621D8E3BD9
4
ary hampiala ny sofiny amin'ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin'ny anganongano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1CD3460C-8AB5-4E6B-BD1D-E38262F21838
5
Fa hianao kosa mahonona tena amin'ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan'ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1AB1DC1-E355-4A16-BE2D-EC3139DB20A6
6
Fa izaho fia efa hatolotra [haidina ho fanatitra aidina] sahady, ary efa mby akaiky ny andro fialako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D67119A-54D4-49CB-8D4E-A56B22D91C4D
7
Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahako aho; nitahiry ny finoana aho;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FCB1A65B-AD74-48BE-93FD-42FF970441AD
8
hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana, izay homen'ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin'izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an'izay rehetra tia ny fisehoany koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3DBE1FF5-1A09-46E1-96D8-3AB62781FEAD
9
Mazotoa hankaty amiko faingana hianao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7155757D-5E90-4A7C-9D8B-D3369787C5B8
10
fa Demasy efa nandao ahy ka lasa nankany Tesalonika; Kreska nankany Galatia, Titosy nankany Dalmatia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F8C6805-8339-4094-A3FD-BE5B2625ED3D
11
Lioka ihany no ato amiko. Alao Marka, ka ento miaraka aminao, fa mahasoa ahy amin'ny fanompoana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|99C54B70-0AC1-4E3D-8144-119525AC4CCC
12
Tykiko dia nirahiko ho any Efesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34B63B40-814D-48AF-9032-32D4188EF149
13
Ilay kapĂ´ty navelako tany Troasy tao amin'i Karpo, dia ento, raha mankaty hianao, ary ny boky, indrindra fa ireo boky hoditra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D6484EDA-491A-47BD-8BFB-A3327881CE54
14
Aleksandro, mpanefy varahina, efa nanisy ratsy ahy be loatra; ny Tompo hamaly azy araka ny asany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EDBD8F8E-5BEE-44BD-B9EF-8631CF33ABC1
15
tandremonao ihany izy iny, fa nanohitra fatratra ny teninay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24EAE5AA-B71A-42EF-B8CC-5E0A0908E964
16
Tamin'ny nandaharako voalohany hanala tsiny ny tenako dia tsy nisy nomba ahy, fa nandao ahy avokoa izy rehetra (aza mba isaina ho helony anie izany).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|35EF16B8-FD84-4F18-B81E-397239F754BF
17
Kanefa ny Tompo nitsangana teo anilako ka nampahery ahy, mba hotenterahina tokoa amin'ny ataoko ny fitorian-teny, ary mba ho ren'ny jentilisa rehetra izany; ary izaho novonjena tao am-bavan'ny liona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DCB78479-6C99-476E-8F71-7BC977EDAE55
18
Ary ny Tompo hanafaka ahy amin'ny asa ratsy rehetra ka hamonjy ahy ho any amin'ny fanjakany any an-danitra; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA0D4CCC-1536-458E-B9DC-258EABD56CA3
19
Manaova veloma amin'i Prisila sy Akoila mbamin'ny ankohonan'i Onesiforosy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95E91C51-30F1-4161-9871-0837DF10ADFC
20
Erasto nitoetra tany Korinto; fa Trofimo nilaozako tany Mileto, satria narary izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|004ED604-6E4E-4ED8-9A9E-A943D2BFF83D
21
Mazotoa hankaty alohan'ny ririnina. Manao veloma anao Eobolo sy Poda sy Lino sy Klaodia mbamin'ny rahalahy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|288B0384-489B-425F-AA13-E46652BF400A
22
Ho amin'ny fanahinao anie ny Tompo. Ho aminareo anie ny fahasoavana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|462610B4-9662-4AE5-828D-CECD7BF91F39
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany