Titosy 1: 1-16

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Paoly, mpanompon'Andriamanitra sy Apostolin'i Jesosy Kristy hampandroso ny finoan'ny olom-boafidin'Andriamanitra sy ny fahalalana tsara ny marina izay manaraka ny toe-panahy araka an'Andriamanitra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3449EF7A-EB5A-41F7-A5E3-BF68E891DE61
2
amin'ny fanantenana ny fiainana mandrakizay izay nampanantenain'Andriamanitra tsy mahay mandainga hatry ny fony fahagola;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|099CFB3B-E09A-469F-A6FB-D74B8445E839
3
fa tamin'izy andro voatendry dia nasehony ny teniny tamin'ny tori-teny izay natolotra ho adidiko, araka ny didin'Andriamanitra, Mpamonjy antsika:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C3F430D-28E6-4E68-8C10-EA9F73623ABF
4
ho an'i Titosy, tena zanako araka ny finoana iombonantsika, anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamantira Ray sy Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B0182AD-EB71-4A40-8F67-20F42E083C22
5
Izao no namelako anao tany Kreta, dia ny handaminanao izay mbola tsy tanteraka sy hanendrenao loholona amin'ny isan-tanàna, araka ny ny nandidiako anao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|41C1DBF0-65AC-47C2-8CEF-08D372AD1A69
6
raha misy tsy manan-tsiny, dia lehilahy manam-bady tokana, manana zanak mino izay tsy mba ampangaina ho mpanaram-po amin'ny ratsy na maditra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|841E5AA9-E77F-4574-90E2-709F09EBA6BD
7
Fa ny mpitandrina [Gr. episkopo] dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, fa mpitandrina ny an'Andriamanitra, tsy mitompo teny fantatra, tsy mora tezitra, tsy mpimamo lian-ady, tsy mpikapoka, tsy tia harena maloto,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|405E9C90-8C78-4068-B4D3-A18F167B1D7E
8
fa mampiantrano vahiny, tia ny tsara, mahonon-tena, marina, masina, mahonom-po,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D3A9B3D4-7246-4747-91D0-3C6A1F3BB539
9
mitana mafy ny teny marina araka ny efa nampianarina, mba hahaizany hananatra amin'ny fampianarana tsy misy kilema [Gr. salama] sady haharesy lahatra ny mpanohitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|28968459-9577-4FAD-8E5C-21991CC20A3B
10
Fa maro no maditra, mpitaria foana sy mpamitaka, indrindra fa avy amin'ny voafora -
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|00E61FDD-F4C3-4887-BE78-F1EE8187AA2F
11
tsy maintsy hotampenam-bava ireo - izay mampivadika ny mpianakavy maro, fa mampianatra izay tsy mety, mba hahazoany harena maloto.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BAFC8ECF-ECA8-414F-A26A-292C9C77964D
12
Hoy ny anankiray amin'ireny, izay mpaminany teo aminy: 'Mpandainga mandrakariva ny Kretana, biby ratsy, kamo be tenda.'
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|740F97F9-09C2-436F-8BFC-BB572FBA0C0A
13
Marina izany vavolombelona izany. Ary noho izany dia anaro mafy izy mba hatanjaka amin'ny finoana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C383A09-A492-4647-B165-3FECFAAF91D3
14
tsy mitandrina ny anganonganon'ny Jiosy sy ny didin'ny olona izay mivily miala amin'ny fahamarinana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8088B57F-985C-47C0-9FF2-766FAC8C27D9
15
Madio avokoa ny zavatra rehetra raha amin'ny olona madio; fa raha amin'ny olona voaloto sady tsy mino kosa dia tsy misy madio na inona na inona; fa voaloto na ny sainy na ny fieritreretany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|28930931-A618-4870-AB8B-29507AA5AA42
16
Manaiky fa mahalala an'Andriamanitra izy, nefa mandà Azy amin'ny asany, dia olona vetaveta sady tsy manaraka ary olona tsy izy, izay tsy manao asa tsara na inona na inona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|30271784-9479-4F82-9210-AB1E3FB93316
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany