Andininy
Protestanta Malagasy
1
Fa hianao kosa dia milazà izay miendrika ny fampianarana tsy misy kilema;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0CCCFBF1-DCD5-4C1C-812A-DF6495FACE57
2
ny lehilahy anti-panahy anaro hahonon-tena, ho maotona, ho hendry, hatanjaka amin'ny finoana, amin'ny fitiavana, amin'ny faharetana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F39DB6B8-349B-4F01-A099-EBAAFCA784D5
3
Ny vehivavy anti-panahy koa anaro hitondra tena toy izay miendrika ny olona masina, tsy ho mpanendrikendrika, tsy ho andevozin'ny divay be, ho mpampianatra ny tsara,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|462F6481-37A4-47A4-90E2-17D66E830E3F
4
mba hampianarany ny vehivavy tanora fanahy ho tia ny vadiny, ho tia ny zanany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|569E11A6-DC74-484C-ADDE-7EA41A171E1A
5
hahonon-tena, ho madio toe-panahy, hiasa ao an-tranony, ho tsara fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenana ratsy ny tenin'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7544453F-868C-423C-852C-CBE4A5A8B364
6
Ny lehilahy tanora fanahy koa anaro hahonon-tena;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A5ABE032-246F-4876-9D94-C8A2EFB02EF8
7
ka amin'ny zavatra rehetra dia asehoy ny tenenao ho fianarana ny asa tsara, amin'ny fampianaranao maneho ny tsi-faharatsiana, ny fahamaotinana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E006BB8-A7C9-4D09-A5FF-F6F98EC638FE
8
ny teny tsy misy kilema, izay tsy azo tsiniana, mba ho menatra izay manohitra, satria tsy hisy ratsy hitenenany anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9C78682-5FA9-4803-8BE0-8CB93C81F3B3
9
Ny mpanompo koa dia anaro hanaiky ny tompony ka hanao izay sitrapony amin'ny zavatra rehetra, fa tsy hamalivaly,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|818CEC4D-69C0-4ADA-A9DF-8EF3D86F49DD
10
tsy hangala-tety, fa haneho izay toe-panahy mahatoky indrindra, mba hampahamendrika ny fampianaran'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, amin'ny zavatra rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6D3056E-955C-46D3-8270-C12F269E260D
11
Fa efa miseho ny fahasoavan'Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A661C219-84B5-4DBB-B665-06AFB5D70CA8
12
mampianatr antsika handa izay toe-panahy tsy araka an'Andriamanitra sy ny filan'izao fiainana ankehitriny izao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ABDE4D51-C096-4851-A918-F83EC6B352B3
13
miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan'ny voninahitr'Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy [Na: Andriamanitra lehibe sy Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika],
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9CCA83DA-4CB1-4F3C-BF18-9014CDBDC87F
14
Izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika ho afaka amin'ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an'ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin'ny asa tsara izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7CF928C3-74D8-4A77-B527-7A9BD53C7FD3
15
izany no lazao sy ananaro ary andrarao amin'ny fahefana rehetra. Aza avela hisy hanao tsinontsinona anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85FE5A16-CBC6-462B-816A-C8D1048A4BA0
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany