Titosy 3: 1-15

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Mampahatsiarova azy hanaiky izay manapaka sy manam-pahefana, hanoa tsara, ho vonona ho amin'ny asa tsara rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8EDD723C-A79C-4CB0-81F9-2EB1FE0E5583
2
tsy hiteny ratsy olona, tsy ho mpila ady, fa ho mpandefitra, maneho ny halemem-panahy rehetra amin'ny olona rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|676B4389-C910-4F47-9193-4CC2451C135F
3
Fa isika koa dia adala fahiny, tsy nanaiky, voafitaka, dia andevon'ny filana sy ny fahafinaretana maro, ary velona teo amin'ny lolompo sy ny fialonana, sady hala no nifankahala.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C69A39C0-30C2-4FF9-80F5-1B354A15C810
4
Fa rehefa niseho ny famoram-panahin'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37FBDCA9-C0B5-41D9-9421-E6F96C0CD938
5
dia tsy avy tamin'ny asa amin'ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindrampo kosa no namonjeny antsika, tamin'ny fanasan'ny fiterahana indray sy ny fanavaozan'ny Fanahy Masina,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5CCFA874-E413-4A31-9F91-3F0B1DDDE0A7
6
Izay naidiny betsaka tamintsika tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7312B896-EA14-48E9-B737-E536EE640CEB
7
mba hohamarinina amin'ny fahasoavany isika ka ho tonga mpandova araka ny fanantenana ny fiainana mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9EE04394-7B9C-4756-BEFC-15B0C23A971D
8
Mahatoky izany teny izany, ary izany zavatra izany dia tiako hitompoanao mafy, mba hotandreman'izay efa mino an'Andriamanitra ny hanao asa tsara. Sady tsara ho mahasoa ny olona izany zavatra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40270334-57DD-47E7-B649-6C436D02874C
9
Fa halaviro ny fanontaniana adala sy ny tantaram-pirazanana sy ny fifandirana sy ny ady teny ny amin'ny lalàna; fa tsy mahasoa sady zava-poana izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|697DC18F-41A1-4AA4-9083-CE22619750AE
10
Izay mpanao hevi-diso [Na: olona mitokana ho azy], rehefa nanarinao indray maka na indroa, dia ialao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1BD256B0-DE69-479D-8133-487A2CAD189D
11
satria fantatrao fa voavadika izay manao izany ka sady manota no manamelo-tena koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E1368390-1119-4EA6-B8BF-FB50BB42D58F
12
Rehefa maniraka an'i Artema sy Tykiko ho aty aminao aho, dia mazotoa hankany amiko any Nikopolia hianao, fa mikasa handany ny ririnina any aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5F05CCC6-03EF-4DDD-A521-EF28E0B96780
13
Mazotoa hamoaka an'i Zena mpahay lalàna sy Apolosy, mba tsy hisy zavatra hilainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|223D9BF8-8C65-4341-A92F-61E4A7D4FE70
14
Ary aoka ny antsika koa hianatra hanao asa tsara hahazoany izay ilainy, fandrao tsy hisy vokatra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|346A24E1-4AC5-42B4-9E3D-67D6E8030D80
15
Manao veloma anao izay rehetra aty amiko. Manaova veloma izay rehetra tia anay amin'ny finoana. Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D64D18F-8A59-4EE1-BD0B-BA49E00CF38B
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany