Filemona 1: 1-25

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Paoly, mpifatotra an'i Kristy Jesosy, ary Timoty rahalahy, mamangy an'i Filemona, ilay malalanay sy mpiara-miasa aminay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8CF248B0-833E-4F8C-B980-275A1F62862C
2
ary mamangy an'i Apia anabavinay sy Arkipo, miaramila namantsika, ary ny fiangonana ao an-tranonao:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|90896221-2966-41D2-B4C6-502B4375CC77
3
ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2ECC19CD-4CFE-400E-92A8-FB48D098E8F9
4
Misaotra an'Andriamanitra mandrakariva aho, raha mahatsiaro anao amin'ny fivavahako,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|197676FA-DBAC-42B2-87A3-CB649AA6A85D
5
satria reko ny fitiavanao sy ny finoana [Na: ny finoanao] izay anananao ho an'i Jesosy Tompo sy ho an'ny olona masina rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB88C96C-5D06-4269-BE71-9602E0507FFD
6
mba hiasa mafy ho an'i Kristy ny fiombonana avy amin'ny finoanao amin'ny fahalalana tsara ny zavatra rehetra izay ao anatinareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5622481A-AF0C-42FC-96B2-4122AFBC7260
7
Fa nanana fifaliana sy fiononana amin'ny fitiavanao aho, satria efa novelombelominao ny fon'ny olona masina, ry rahalahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E28AA527-704B-4C41-87A5-5F9FDF69FEBB
8
Koa na dia manana fahasahiana be ao amin'i Kristy handidy anao amin'izay mendrika aza aho,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FC6D5396-A6E7-47EB-AFA9-8D83AE73FA96
9
nefa noho ny fitiavana, izaho Paoly, izay efa anti-panahy [Na: ambasadôra] sady mpifatotra an'i Kristy Jesosy koa ankehitriny, dia miangavy aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A0C84E9-3EBF-4E1A-8728-B901DB67C3A1
10
Eny, miangavy aminao aho ny amin'ny zanako, izay naterako teto amin'ny fifatorako, dia Onesimosy, [Onesimosy=Mahasoa]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|64ACC1FB-5CD0-4EF5-80F4-CCC77B7FE63B
11
ilay tsy nahasoa anao fahiny, nefa ankehitriny mahasoa antsika, dia hianao sy izaho;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6BD61BE9-9BF9-4F6B-B406-136AB78AC3D1
12
izay nampodiko indray, dia ilay sombin'ny aiko;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|916AEE59-9EA6-47D2-94EB-630CBB5657CA
13
saiky nohazoniko taty amiko izy hanompo ahy hisolo anao eto amin'ny fifatorako noho ny filazantsara;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|190AE7B8-402C-47A5-9879-CB525A294521
14
nefa raha tsy nahalala izay hevitrao aho aloha, dia tsy ta-hanao na inona na inona, mba tsy ho toy ny amin'ny fanerena ny soa ataonao, fa amin'ny sitrapo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|481E9927-1315-4993-8F8F-B5015D125EBF
15
Fa izany angaha no nialany vetivety, dia ny mba hanananao azy mandrakizay,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|194F79BB-CC50-4A5B-AEDD-0AA4FE1C5BED
16
tsy toy ny andevo intsony anefa, fa efa mihoatra noho ny andevo, dia rahalahy malala, indrindra fa ho ahy, mainka fa ho anao, na amin'ny nofo, na amin'ny Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A7C8788A-082C-4F45-B809-43902C6C2170
17
Koa raha ataonao ho namanao aho, dia raiso toa ahy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EDE92FD4-62AD-45E8-A57D-57EBAECB4325
18
Nefa raha nanao izay tsy marina taminao izy, na mitrosa, dia ataovy ho ahy izany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|161DAAB8-36EA-4E8B-A57E-D187A3614E6F
19
izaho Paoly no manoratra izany amin'ny tànako, izaho no handoa izany - nefa tsy lazaiko aminao fa mitrosa ny tenanao amiko aza hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A527C4EA-D792-418F-8AE5-4DA898A8788D
20
Eny, ry rahalahy, aoka hanana fifaliana avy aminao ao amin'ny Tompo aho; velombelomy ny foko ao amin'i Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|90C87E75-8873-43B8-8DDD-9EBA0867882E
21
Noho ny fahatokiako fa hanaiky hianao no anoratako aminao, ka fantatro fa hanao mihoatra noho izay lazaiko aza hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AFCC9C42-FEAD-473E-9BED-CEB1DB65F726
22
Ary izao koa: Mba anamboary trano hitoerako aho; fa manantena aho fa homena anareo noho ny vavaka ataonareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1197B755-E403-4E6B-8D6D-05CFC9C3133C
23
Manao veloma anao Epafra, mpifatotra namako ao amin'i Kristy Jesosy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4695C537-AAFF-4B9B-AFF0-6237368AD6E3
24
sy Marka sy Aristarko sy Demasy ary Lioka, mpiara-miasa amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A239A1FC-DFB1-486D-8D93-886425FAA442
25
Ho amin'ny fanahinareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C363A53B-C10F-4325-9734-ACDDFF0C13F6
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany