Hebreo 1: 1-14

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Rehefa nampitenenin'Andriamanitra tamin'ny razana fahiny ny mpaminany tamin'ny andro samy hafa sy ny fanao samy hafa;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D0D077B-CEC1-4FB3-B01F-0F1A956F9FC8
2
dia amin'izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra; Izy no nahariany izao tontolo izao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7FE3CB80-C20A-41B3-A4E3-BEB91A195AC6
3
Izy koa no famirapiratan'ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra ary mihazona ny zavatra rehetra amin'ny herin'ny teniny; ary rehefa nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy, dia nipetraka teo amin'ny tànana ankavanan'ny Lehibe any amin'ny avo
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2254A4B4-3EAE-492A-98FF-AE518FEA20A9
4
ka natao tsara noho ny anjely, araka ny nandovany anarana tsara noho ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E0C4F7D-19DC-4908-A202-BB2864529FDC
5
Fa anjely iza no mba nilazany hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao andro-any?(Sal. 2. 7.) Ary koa: Izaho ho Rainy, Ary Izy ho Zanako? (2Sam. 7. 14.)
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|70715223-A6AB-4E83-9ED9-99FB2B470C92
6
Ary raha mitondra ny Lahimatoa ho amin'izao fiainana izao indray, dia hoy Izy: Ary aoka ny anjelin'Andriamanitra rehetra hiankohoka eo anoloany (Sal. 97.7).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B4B62448-DB14-42D4-85C8-36EBF6A5835B
7
Ary ny anjely dia ilazany hoe: Izy manao ny anjeliny ho rivotra, Ary ny mpanompony ho lelafo (Sal. 104. 4).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E3FE8CF-F93E-4243-BB14-566BA55ED595
8
Fa ny Zanaka kosa dia nilazany hoe: "Ny seza fiandriananao, Andriamanitra “, dia mandrakizay doria; Ary ny tehim-pahitsiana no tehim-panjakanao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3581B1B4-69E4-4C6F-B9C3-2C79866EF092
9
Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka; Koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana Anao mihoatra noho ny namanao" (Sal. 45. 6, 7).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|192791B0-ED72-4A25-9A15-8CD634F805C9
10
Ary izao koa: "Hianao, Jehovah ô, tany aloha no nanorenanao ny tany, Ary asan'ny tànanao ny lanitra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91A98661-3CBE-4319-99FF-A449F8EE7447
11
Ireo dia ho levona, fa Hianao no maharitra; Ary izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E8F5B161-FD9D-4B98-858A-6A3629B38EC1
12
Ary toy ny lamba no hamalonanao azy, Dia toy ny fitafiana, ka hovana izy; Fa Hianao no tsy miova, Ary ny taonanao no tsy ho tapitra" (Sal. 102. 25-27).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6082EF45-3A04-4F9B-8A35-7A5B1729A3BE
13
Fa anjely iza no mba nilazany hoe: Mipetraha eo an-tànako ankavanana, Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao? (Sal. 110. 1.)
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ECF0F250-6948-44E6-86F4-CD7E3210B5BD
14
Tsy fanahy manompo va izy rehetra, nirahina hanao fanompoana ho an'izay handova famonjena?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ADDE9865-E86C-497E-85A5-83387E9A4442
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany