Andininy
Protestanta Malagasy
1
Fa ny lalàna, izay misy aloky ny zava-tsoa ho avy, fa tsy ny tena endrik'izany zavatra izany, dia tsy mba mahatanteraka ny olona manatona amin'izay fanatitra ateriny mandrakariva isan-taona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED15D9CD-C7B5-4545-B62A-F192498C15C1
2
Raha izany, dia tsy ho nitsahatra va ny nanaterany ireo, satria rehefa nodiovina indray mandeha ny mpivavaka, dia tsy ho nasian'ny fieritreretany ny amin'ny ota intsony izy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D4B66A24-557A-4C15-B0FD-D0EF3204BABC
3
Fa amin'ireo dia misy fahatsiarovana ny ota isan-taona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|344D78AC-0700-481A-BEF5-E270C0DB1648
4
Fa tsy mahaisotra ny ota ny ran'ombilahy sy ny ran'osilahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5E499DCC-1357-4588-A247-B927828E66BA
5
Koa nony niditra tamin'izao fiainana izao Izy, dia nanao hoe: "Ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra hohanina tsy mba nilainao, fa tena no namboarinao ho Ahy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B694E174-F12E-4E93-BD87-2A6D529314E1
6
Ny fanatitra odorana sy ny fanatitra noho ny ota tsy sitrakao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F642183-B346-497E-A38F-7F61B6F87DDB
7
Dia hoy Izaho: Inty Aho tonga - Ao amin'ny horonam-boky no nanoratana Ahy - Hanao ny sitraponao, Andriamanitra “" (Sal. 40. 6-8).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D3BCB9C-3186-4E3B-B86C-4A7EDF9419F2
8
Rahefa nolazainy teho hoe: Ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra odorana ary ny fanatitra noho ny ota (dia ireny aterina araka ny lalàna) no tsy ilainao ary tsy sitrakao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|659F0F06-5627-44B0-AEA5-BE2857A7C88D
9
dia hoy indray Izy: Inty Aho tonga hanao ny sitraponao. Manaisotra ny voalohany Izy mba hampitoerany ny faharoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|667C81B8-07B8-45C1-97F0-F95000FDD87E
10
Amin'izany sitrapo izany no nanamasinana antsika tamin'ny nanaterana ny tenan'i Jesosy Kristy indray mandeha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|310A4F4B-B154-4CCB-8E38-1AA59455496C
11
Ary ny mpisorona rehetra dia mitsangana isan-andro manao fanompoam-pivavahana sy manatitra ireny fanatitra ireny ihany matetika izay tsy mahaisotra ny ota;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|929F97A5-B446-4B75-BBEE-2472CD777CBA
12
fa Izy kosa, rehefa nanao fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia efa mipetraka eo an-tànana ankavanan'Andriamanitra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5CD5FB5-5681-4320-8CE5-A6738A9D126E
13
ka hatramin'izao dia miandry Izy mandra-panaony ny fahavalony ho fitoeran-tongony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BED3097F-3650-4BBD-837D-EEF6B5751FF6
14
Fa ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F89ACEF9-AF42-41FE-8283-D79721B0BCF6
15
Ary ny Fanahy Masina koa manambara izany amintsika; fa rehefa voalazany hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85B6E2E9-0855-4573-BF05-1113B16866C9
16
Izao no fanekena hataoko aminy, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Hataoko ao am-pony ny lalàko, sady hosoratako ao an-tsainy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D514C6C3-8CC3-4B35-915B-5AFF6F136290
17
dia hoy koa Izy: Ny fahotany sy ny helony tsy hotsarovako intsony (Jer. 31. 33, 34).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E219A53E-08BF-4031-A9BE-F417EA0826DB
18
Ary rehefa misy famelana ireo, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0149B509-66D1-4DB9-87E0-E9E5B1289275
19
Koa amin'izany, ry rahalahy, satria manana fahatokiana hiditra ao amin'ny fitoerana masina isika noho ny ran'i Jesosy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0FA42AB5-93DC-4B0D-B0EC-C1B90CC126E2
20
amin'izay làlana natokany ho antsika, dia làlana vaovao sady velona, namaky teo amin'ny efitra lamba, dia ny nofony,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D56FD92B-522E-48E3-8DD8-F8CEB7FEF247
21
sady manana Mpisorona lehibe mitandrina ny tranon'Andriamanitra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|81E2690B-A9D0-46B2-91E5-AA32F944AF5C
22
dia aoka isika hanatona amin'ny fo marina sy amin'ny fahatokoana be avy amin'ny finoana, manana fo voadio ho afaka amin'ny fieritreretana ratsy sy tena voasasa tamin'ny rano madio;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|427EB343-6FB1-45C9-B61C-86561FC0519C
23
aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany (fa mahatoky Ilay efa nanao ny teny fikasana);
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|76ADBC4F-DE01-49AC-8512-1AD06EC455CE
24
ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|80A2314E-D988-49FC-84B9-905C4B3AB1D8
25
aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon'ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F997D478-C838-4D92-AD5E-C9E6599FE948
26
Fa raha minia manota isika rehefa nahazo ny fahalalana tsara ny marina, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D513C9AF-893C-49AA-BA41-7662FA49365D
27
fa fiandrasana mahatahotra amin'ny fitsarana ary ny fahatezerana mirehitra izay handany ny fahavalo rehetra kosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1DDAD375-06C0-491A-AF75-153E16A5B5A4
28
Izay manohitra ny lalàn'i Mosesy dia maty amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo ka tsy asiana famindrampo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F24B24BB-7052-4AFF-A37F-02741032CA61
29
manao ahoana kosa ary no hamafin'ny fampijaliana ataonareo tokony hihatra amin'izay nanitsaka ny Zanak'Andriamanitra ka nanao ny ran'ny fanekena izay nanamasinana azy ho zavatra tsy masina sady naniratsira ny Fanahin'ny fahasoavana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|10F6B57D-19F5-411B-84C9-380F7C7BD474
30
Fa fantatsika izay nanao hoe: Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly; ary koa: Jehovah hitsara ny olona (Deo. 32. 35, 36).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AACD6CD8-92D4-41BD-8BD8-13D4A6C0D3E2
31
Zavatra mahatahotra ny ho azon'ny tanan'Andriamanitra velona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|73C46E29-9D08-4EF8-BA71-4C74495F31E1
32
Fa tsarovy ny andro fahiny izay naharetanareo ny ady mafy tamin'ny fahoriana, rehefa nohazavaina hianareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C9B65DC-9948-40FA-9FB8-1C96922FFA41
33
indraindray raha natao ho fizaha noho ny fanaratsiana sy ny fampahoriana hianareo, ary indraindray koa raha tonga naman'izay aron'izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AA7E3F54-3052-446B-8C83-F70AFE52B30F
34
Fa sady niara-niaritra tamin'izay nifatotra hianareo no nifaly raha norobaina ny fanananareo, satria fantatrareo fa hianareo dia manana fananana tsara lavitra sady maharitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|35BFCE27-77D5-4A3A-9530-1C413CF54DA7
35
Koa aza manary ny fahasahianareo izay misy valiny lehibe.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B31C92FA-F7C6-454F-BAE7-8AAB13441450
36
Fa tokony hanana faharetana hianareo mba hahazoanareo izay lazain'ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|70F30F56-BF47-43DB-8B60-3BE295003C04
37
Fa rehefa afaka kelikely, dia ho tonga Ilay ho avy, fa tsy hitaredretra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37ED17C4-8EE9-4C1B-86CD-2395CB6E1BD9
38
Ary ny oloko marina dia ho velon'ny finoana; fa raha mihemotra izy, dia tsy sitraky ny fanahiko (Hab. 2. 3,4).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83C8F779-3FA7-4416-BB92-CF548724C770
39
Fa isika tsy mba naman'izay mihemotra ho amin'ny fahaverezana, fa naman'izay mino ho amin'ny famonjena ny fanahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1B9C34DA-E9F2-4E3C-B742-9F057CA4BF97
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany