Andininy
Protestanta Malagasy
1
Koa amin'izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin'ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin'ny faharetana amin'izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F016800F-47B3-4F36-B250-F44C21768E4A
2
mijery an'i Jesosy, Tompon'ny finoantsika sy Mpanefa azy, Izay naharitra ny hazo fijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin'ny ankavanan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D5DA8B7-96A3-4E1A-B23E-37B85C67ED99
3
Fa hevero tsara ilay naharitra ny fanoherana nataon'ny mpanota taminy, fandrao ho ketraka hianareo, ka ho reraka ny fanahinareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AA933F7A-2132-465A-85A6-9386AADFDBEE
4
Hianareo tsy mbola nanohitra niady tamin'ny ota hatramin'ny fahalatsahan-dra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6BC2BD4-5D63-48D1-9C04-578E0A245653
5
Ary hadinonareo ny fananarana izay milaza aminareo toy ny amin'ny zanaka hoe: "Anaka, aza atao ho zavatra kely ny famaizana ataon'i Jehovah, ary aza rereka raha resi-lahtry ny anatra ataony hianao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6FEA0C8B-076B-418D-8EAB-2819EACB7211
6
Fa izay tian'i Jehovah no faizany, ary izay zanaka rehetra raisiny no kapohiny" (Oha. 3. 11, 12).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D5153407-D342-4CB7-8C3D-CEB9A62F12B7
7
Famaizana no anton'ny iaretanareo; Andriamanitra mitondra anareo tahaka ny zanaka; fa aiza moa izay zanaka tsy faizan-drainy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ECC262E1-ECD6-47D7-AFE5-B23E6ABEEEF6
8
Fa raha tsy faizana tahaka ny itondrana azy rehetra hianareo, dia zazasary, fa tsy zanaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DBC24F36-BC7F-4427-AD20-318F237D86DC
9
Ary koa, isika dia nanana ny rain'ny nofontsika ho mpanafay antsika ka efa nanaja azy; tsy mainka va ny hanekentsika ny Rain'ny fanahy, ka ho velona isika?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02EFE7BC-C7E0-4280-8080-94EF2AA5DDE0
10
Fa ireny dia nanao izay hahafay antsika tamin'ny andro vitsy araka izay sitrapony, fa Izy kosa dia ny hahasoa, mba handraisantsika ny fahamasinany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F4C1864-1978-4393-A8B5-4454D172987C
11
Fa ny famaizana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly andro anaovana, fa mampahory; fa rehefa afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an'izay nanaovana azy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE31B37A-6DE5-440C-AADD-CF63A0891218
12
Koa hatanjaho ny tànana miraviravy sy ny lohalika malemy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A71FB6AC-2576-4731-9098-4EF527E8FFFF
13
ary manaova làla-mahitsy halehan'ny tongotrareo, mba tsy hampipitsoka ny tongotry ny mandringa, fa ny mba hahasitrana azy kosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1655ACD3-9BFD-46D9-AFE1-4916A68C2C94
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany