Andininy
Protestanta Malagasy
1
Koa amin'izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin'ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin'ny faharetana amin'izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F016800F-47B3-4F36-B250-F44C21768E4A
2
mijery an'i Jesosy, Tompon'ny finoantsika sy Mpanefa azy, Izay naharitra ny hazo fijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin'ny ankavanan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D5DA8B7-96A3-4E1A-B23E-37B85C67ED99
3
Fa hevero tsara ilay naharitra ny fanoherana nataon'ny mpanota taminy, fandrao ho ketraka hianareo, ka ho reraka ny fanahinareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AA933F7A-2132-465A-85A6-9386AADFDBEE
4
Hianareo tsy mbola nanohitra niady tamin'ny ota hatramin'ny fahalatsahan-dra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6BC2BD4-5D63-48D1-9C04-578E0A245653
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany