Andininy
Protestanta Malagasy
12
Tandremo, ry rahalahy, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala amin'Andriamanitra velona;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB133683-FCA9-43F6-8D8B-0BA923CD5A7E
13
fa mifananara isan-andro, raha mbola atao hoe Anio; fandrao hisy aminareo ho tonga mafy fo noho ny famitahan'ny ota.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA6596B0-E95E-460B-9286-4FED697B4147
14
Fa efa tonga mpiombona amin'i Kristy isika, raha mihazona mafy ny fiandohan'ny fahatokiantsika hatramin'ny farany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C93CF3A-D64D-4B4B-984F-97BA95E619C0
15
raha atao hoe: Anio, raha hihaino ny feony hianareo, Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin'ny fahasosorana (Sal. 95. 7, 8).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95A30621-7FBC-4632-A06B-1F363A5A5E2B
16
Fa iza moa no nahatezitra Azy, rehefa nandre? Tsy izay rehetra nentin'i Mosesy niala tany Egypta va?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4706D142-62B2-49F7-8F37-344690ECA2D0
17
Ary iza no nahatezitra Azy efa-polo taona? Tsy izay nanota va, ka dia niampatrampatra tany an-efitra ny fatiny?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C881BC78-F4BC-46D2-B270-B591B1C02A8D
18
Ary iza no nianianany fa tsy hiditra any amin'ny fitsaharany, afa-tsy izay tsy nanaiky?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|765195A0-39CF-4E3F-9105-F5E210911CF9
19
Ka dia hitantsika fa tsy nahazo niditra izy ireo noho ny tsi-finoany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C17503E2-0D85-486D-9555-B5072B86CBB9
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany