Andininy
Protestanta Malagasy
1
Koa na dia mbola misy teny fikasana fa hiditra any amin'ny fitsaharany aza isika, dia aoka isika hatahotra, fandrao mba misy eo aminareo toa tsy mahatratra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F66CB97-D703-4D51-B4F0-E5E32CDC857B
2
Fa isika koa dia nitoriana filazantsara tahaka ireny ihany; kanefa ny teny izay efa reny dia tsy nahasoa azy, satria tsy niharo finoana tao amin'izay nandre.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46AC46A6-65B1-4B69-8AF8-72DABB41D4A9
3
Fa isika izay nino no miditra amin'izany fitsaharana izany, araka ny voalazany hoe: Toy ny nianianako tamin'ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy (Sal. 95. 11), na dia vita hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao aza ny asa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BD057A28-D082-4CAF-993E-25C7F94B8A28
4
Fa nilaza ny andro fahafito Izy eo amin'ny teny anankiray araka izao: Ary Andriamanitra nitsahatra tamin'ny asany rehetra tamin'ny andro fahafito (Gen. 2. 3).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0963C277-8F13-4F7A-8A93-6A38373819D2
5
Ary amin'izao koe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy (Sal. 95. 11).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A9020DA-CEF8-4D01-99DA-9F94D68439FE
6
Koa satria mbola hiditra eo ihany ny sasany, ary izay nitoriana filazantsara tamin'ny voalohany dia tsy niditra noho ny tsi-finoana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BD94C7D3-023B-4A53-8D25-62899C3A3A6A
7
dia mametra andro anankiray indray Izy,na dia efa ela toy izany aza, milaza ao amin'i Davida hoe: Anio, araka ny voalaza teo hoe: Anio, raha hihaino ny feony hianareo, Aza manamafy ny fonareo (Sal. 95. 7, 8).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA36927E-6BEE-4D2B-83D4-9B45BC07AC7A
8
Fa raha Josoa no nanome azy fitsaharana, dia tsy mba ho nilaza andro hafa Izy tao aorian'izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6453AB1-8BD0-4EBA-B32C-1295C0F5CABB
9
Koa dia mbola misy sabata fitsaharana ho an'ny olon'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|156CE26C-15E6-44EF-94CC-55663A32263E
10
Fa izay niditra tao amin'ny fitsaharany, dia Izy koa no nitsahatra tamin'ny asany, tahaka an'Andriamanitra tamin'ny Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9FD0330B-5A5F-4834-893A-8AF47FB09D25
11
Koa aoka isika hazoto hiditra amin'iznay fitsaharana izany, fandrao hisy olona latsaka amin'ny tsi-finoana tahaka izany koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7534EAA1-9C83-4B65-8230-87B7291FCBCD
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany