Andininy
Protestanta Malagasy
1
Koa na dia mbola misy teny fikasana fa hiditra any amin'ny fitsaharany aza isika, dia aoka isika hatahotra, fandrao mba misy eo aminareo toa tsy mahatratra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F66CB97-D703-4D51-B4F0-E5E32CDC857B
2
Fa isika koa dia nitoriana filazantsara tahaka ireny ihany; kanefa ny teny izay efa reny dia tsy nahasoa azy, satria tsy niharo finoana tao amin'izay nandre.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46AC46A6-65B1-4B69-8AF8-72DABB41D4A9
3
Fa isika izay nino no miditra amin'izany fitsaharana izany, araka ny voalazany hoe: Toy ny nianianako tamin'ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy (Sal. 95. 11), na dia vita hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao aza ny asa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BD057A28-D082-4CAF-993E-25C7F94B8A28
4
Fa nilaza ny andro fahafito Izy eo amin'ny teny anankiray araka izao: Ary Andriamanitra nitsahatra tamin'ny asany rehetra tamin'ny andro fahafito (Gen. 2. 3).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0963C277-8F13-4F7A-8A93-6A38373819D2
5
Ary amin'izao koe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy (Sal. 95. 11).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A9020DA-CEF8-4D01-99DA-9F94D68439FE
6
Koa satria mbola hiditra eo ihany ny sasany, ary izay nitoriana filazantsara tamin'ny voalohany dia tsy niditra noho ny tsi-finoana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BD94C7D3-023B-4A53-8D25-62899C3A3A6A
7
dia mametra andro anankiray indray Izy,na dia efa ela toy izany aza, milaza ao amin'i Davida hoe: Anio, araka ny voalaza teo hoe: Anio, raha hihaino ny feony hianareo, Aza manamafy ny fonareo (Sal. 95. 7, 8).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA36927E-6BEE-4D2B-83D4-9B45BC07AC7A
8
Fa raha Josoa no nanome azy fitsaharana, dia tsy mba ho nilaza andro hafa Izy tao aorian'izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6453AB1-8BD0-4EBA-B32C-1295C0F5CABB
9
Koa dia mbola misy sabata fitsaharana ho an'ny olon'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|156CE26C-15E6-44EF-94CC-55663A32263E
10
Fa izay niditra tao amin'ny fitsaharany, dia Izy koa no nitsahatra tamin'ny asany, tahaka an'Andriamanitra tamin'ny Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9FD0330B-5A5F-4834-893A-8AF47FB09D25
11
Koa aoka isika hazoto hiditra amin'iznay fitsaharana izany, fandrao hisy olona latsaka amin'ny tsi-finoana tahaka izany koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7534EAA1-9C83-4B65-8230-87B7291FCBCD
12
Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B72FBF95-77DB-4E71-83B1-FCE3C8811BC7
13
Ary tsy mmisy zavatra ary na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason'Izay iafaran'ny ataontsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F7C4BEE7-FB63-4610-BABF-41D8C283D133
14
Koa satria isika manana Mpisoronabe lehibe, Izay lasa namaky ny lanitra, dia Jesosy, Zanak'Andriamanitra, aoka isika hihazona ilay efa nekentsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C913A00-A9CD-48E4-B966-E5FF540A9061
15
Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|154BBEC6-7504-439C-B5CD-123A68DEBBB1
16
Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana amin'ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin'izay andro mahory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F42B3014-4530-4046-A87F-DF523CCB400F
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany