Andininy
Protestanta Malagasy
1
Koa na dia mbola misy teny fikasana fa hiditra any amin'ny fitsaharany aza isika, dia aoka isika hatahotra, fandrao mba misy eo aminareo toa tsy mahatratra izany.
2
Fa isika koa dia nitoriana filazantsara tahaka ireny ihany; kanefa ny teny izay efa reny dia tsy nahasoa azy, satria tsy niharo finoana tao amin'izay nandre.
3
Fa isika izay nino no miditra amin'izany fitsaharana izany, araka ny voalazany hoe: Toy ny nianianako tamin'ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy (Sal. 95. 11), na dia vita hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao aza ny asa.
4
Fa nilaza ny andro fahafito Izy eo amin'ny teny anankiray araka izao: Ary Andriamanitra nitsahatra tamin'ny asany rehetra tamin'ny andro fahafito (Gen. 2. 3).
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany