Andininy Protestanta Malagasy 1 Fa ny mpisoronabe rehetra dia alaina amin'ny olona ka tendrena ho solon'ny olona hanao ny raharahan'Andriamanitra, hanatitra fanomezana sy fanatitra hanafaka ota, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4AAC7BA4-820C-44FE-8754-6BEC2D30ACCC 2 dia olona izay mahay mitondra mora ny tsy mahalala sy ny mania, satria ny tenany koa dia mba hodidinin'ny fahalemena ihany; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD55B621-E990-4B62-B74E-04162372D777 3 ary noho izany dia tsy maintsy hanao fanatitra hanafaka ny ota ho an'ny tenany koa izy, toy ny ataony ho an'ny olona ihany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA53E090-9B83-4B09-B42D-6C14AA97F610 4 Ary tsy misy maka izany voninahitra izany ho an'ny tenany afa-tsy izay antoin'Andriamanitra, tahaka an'i Arona. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0108413-6172-4DF2-9CC9-452235C763E6 5 Dia toy izany koa Kristy: tsy Izy no nanandratra ny tenany ho Mpisoronabe, fa Ilay nanao taminy hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao andro-any (Sal. 2. 7); qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD05D8DD-B9B6-40AC-A333-B43380EEB69F 6 ary toy ny lazainy eo amin'ny teny hafa koa hoe: Hianao no Mpisorona mandrakizay araka ny fanaon'i Melkizedeka (Sal. 110. 4). qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C168E0C-4433-436C-A10B-BDBBAE7EEBDE 7 Tamin'ny andron'ny nofony, raha nanao fivavahana sy fangatahana nomban'ny fitarainana mafy sy ny ranomaso be tamin'izay nahavonjy Azy tamin'ny fahafatesana Izy, sady voahaino noho ny fahatahorany an'Andriamanitra, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84DFD21A-3681-418F-8583-C7F60C9EA318 8 dia nianatra fanarahana tamin'izay fahoriana nentiny Izy, na dia Zanaka aza; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2B48664-912E-453E-9E04-1B8BFAE960FA 9 ary rehefa natao tanteraka Izy, dia tonga loharanon'ny famonjena mandrakizay ho an'izay rehetra manaraka Azy, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0BECD9E-57C6-4599-B188-9E1BC5BDB6C2 10 fa notononin'Andriamanitra hoe Mpisoronabe araka ny fanaon'i Melkizedeka. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4545C1F-287B-45AD-82EF-A1A2330573EF
|