Andininy
Protestanta Malagasy
1
Fa ny mpisoronabe rehetra dia alaina amin'ny olona ka tendrena ho solon'ny olona hanao ny raharahan'Andriamanitra, hanatitra fanomezana sy fanatitra hanafaka ota,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4AAC7BA4-820C-44FE-8754-6BEC2D30ACCC
2
dia olona izay mahay mitondra mora ny tsy mahalala sy ny mania, satria ny tenany koa dia mba hodidinin'ny fahalemena ihany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD55B621-E990-4B62-B74E-04162372D777
3
ary noho izany dia tsy maintsy hanao fanatitra hanafaka ny ota ho an'ny tenany koa izy, toy ny ataony ho an'ny olona ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA53E090-9B83-4B09-B42D-6C14AA97F610
4
Ary tsy misy maka izany voninahitra izany ho an'ny tenany afa-tsy izay antoin'Andriamanitra, tahaka an'i Arona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0108413-6172-4DF2-9CC9-452235C763E6
5
Dia toy izany koa Kristy: tsy Izy no nanandratra ny tenany ho Mpisoronabe, fa Ilay nanao taminy hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao andro-any (Sal. 2. 7);
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD05D8DD-B9B6-40AC-A333-B43380EEB69F
6
ary toy ny lazainy eo amin'ny teny hafa koa hoe: Hianao no Mpisorona mandrakizay araka ny fanaon'i Melkizedeka (Sal. 110. 4).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C168E0C-4433-436C-A10B-BDBBAE7EEBDE
7
Tamin'ny andron'ny nofony, raha nanao fivavahana sy fangatahana nomban'ny fitarainana mafy sy ny ranomaso be tamin'izay nahavonjy Azy tamin'ny fahafatesana Izy, sady voahaino noho ny fahatahorany an'Andriamanitra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84DFD21A-3681-418F-8583-C7F60C9EA318
8
dia nianatra fanarahana tamin'izay fahoriana nentiny Izy, na dia Zanaka aza;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2B48664-912E-453E-9E04-1B8BFAE960FA
9
ary rehefa natao tanteraka Izy, dia tonga loharanon'ny famonjena mandrakizay ho an'izay rehetra manaraka Azy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0BECD9E-57C6-4599-B188-9E1BC5BDB6C2
10
fa notononin'Andriamanitra hoe Mpisoronabe araka ny fanaon'i Melkizedeka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4545C1F-287B-45AD-82EF-A1A2330573EF
11
Ny amin'izany dia manana teny maro izahay sady sarotra ambara, satria lalodalovana ny sofinareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EF7B443B-F72A-45B8-A6AE-EC5766509BCE
12
Fa na dia tokony ho efa mpampianatra aza hianareo noho ny fahela'ny andro, dia mbla mila izay hampianatra anareo ny abidim-pianaran'ny tenin'Andriamanitra indray; ary efa toy izay tokony homen-dronono hianareo, fa tsy vetin-kanina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55059F49-AD87-4ABD-910C-1387DD7BDCF6
13
Fa izay rehetra mivelona amin'ny ronono dia tsy zatra amin'ny tenin'ny fahamarinana, satria mbola zaza-bodo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0704EF68-82A3-4221-9E2D-DEF796B4AA1D
14
Fa ho an'izay efa lehibe ny ventin-kanina, dia ho an'izay manana ny saina efa satra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7EED0556-9CA7-44FA-AD58-9BD026E70411
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany