Andininy
Protestanta Malagasy
1
Fa ny mpisoronabe rehetra dia alaina amin'ny olona ka tendrena ho solon'ny olona hanao ny raharahan'Andriamanitra, hanatitra fanomezana sy fanatitra hanafaka ota,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4AAC7BA4-820C-44FE-8754-6BEC2D30ACCC
2
dia olona izay mahay mitondra mora ny tsy mahalala sy ny mania, satria ny tenany koa dia mba hodidinin'ny fahalemena ihany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD55B621-E990-4B62-B74E-04162372D777
3
ary noho izany dia tsy maintsy hanao fanatitra hanafaka ny ota ho an'ny tenany koa izy, toy ny ataony ho an'ny olona ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA53E090-9B83-4B09-B42D-6C14AA97F610
4
Ary tsy misy maka izany voninahitra izany ho an'ny tenany afa-tsy izay antoin'Andriamanitra, tahaka an'i Arona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0108413-6172-4DF2-9CC9-452235C763E6
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany