Andininy
Protestanta Malagasy
1
Koa aoka hilaozantsika ny abidim-pianarana ny amin'i Kristy, fa aoka handroso ho amin'ny tanteraka isika ka tsy hanao fanorenana indray, dia fibebahana hahafahana amin'ny asa maty sy finoana an'Andriamanitra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3FBA8675-467A-4451-8CB7-4BC946F3B061
2
ary fampianarana ny amin'ny fisasana maro sy ny fametrahan-tànana, ary ny fitsanganan'ny maty sy ny fitsarana mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F80A8652-2D94-4761-870F-933195A18F80
3
Ary izany no hataontsika, raha avelan'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E6EB3E1C-2AB5-4AA8-B193-5A3CDF3011C7
4
Fa izay efa nohazavaina indray mandeha sady efa nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra sy efa nandray ny Fanahy Masina
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E6EC980-0DAC-4C64-A635-BCE2619A221C
5
ary efa nanandrana ny teny tsaran'Andriamanitra sy ny herin'ny fiainana ho avy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E5DC19C-CDC7-48CA-9E18-F0213504145B
6
nefa nihemotra, dia tsy azo havaozina indray ho amin'ny fibebahana, satria manombo ny Zanak'Andriamanitra indray amin'ny hazo fijaliana ka manao Azy ho fahamenarana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A2178B9-1E17-4093-A7AD-7734BD14C00B
7
Fa izay tany mifoka ny ranonorana milatsaka aminy matetika ka maniry anana tsara ho an'ny olona iasana ary dia mahazo fitahiana avy amin'Andriamanitra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6BFF812D-1233-4D0E-ADBA-AC39617BBFA7
8
fa izay maniry tsilo sy songosongo kosa dia lavina sady akaikin'ny ozona, ary ny hiafarany dia hodorana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BEBA8D5B-608C-4C5B-BEE7-6C3F06D6F1AC
9
Nefa, ry malala, na dia miteny izany aza izahay, dia manantena zavatra tsara ny aminareo, dia izay momba ny famonjena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C5B66253-7A74-458C-97C2-8F8F7B62438A
10
Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina hianareo sady mbola manompo ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D4E4238-9D51-486D-A37B-869AC38FECCE
11
Ary mbola irinay hianareo rehetra samy haneho izany fahazotoana izany amin'ny fanantenana hatramin'ny farany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC32C432-C037-41F0-8C74-D840AF4F739A
12
mba tsy hiketraka hianareo, fa hanahaka ireo mandova araka ny teny fikasana amin'ny finoana sy ny faharetana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|10AA87B9-2237-4F5D-8CEC-AB8495B95997
13
Fa Andriamanitra nanao teny fikasana tamin'i Abrahama, ary satria tsy nisy lehibe noho ny tenany izay azony nianianana, dia nianiana tamin'ny tenany Izy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|64544544-0E86-43B6-BEE1-6E8EA0FB9474
14
ka nanao hoe: Hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro anao (Gen. 22.17).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0646A73D-B900-4159-8076-1BDD727A6C07
15
Araka izany, rehefa naharitra tsara Abrahama, dia nahazo ny teny fikasana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CE9634CA-2A6E-482E-BC01-E8853603527E
16
Fa ny olona dia mianiana amin'izay lehibe noho ny tenany; ary ny fianianana dia ataony mba hahamafy ny teny hampitsahatra ny fifandirana rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C3AA67C5-D302-460E-953C-65E9A4AF280E
17
Ary amin'izany, raha Andriamanitra ta-haneho kokoa amin'ny mpandova araka ny teny fikasana ny tsi-fiovan'ny sitrapony, dia nataony mafy tamin'ny fianianana izany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A72CA0FC-7255-40B4-B414-D78BC35CAA49
18
mba ho zavatra roa loha tsy mety miova, izay tsy hain'Andriamanitra andaingana, no hahazoantsika famporisihana mafy, dia isika izay nandositra hihazona ny fanantenana napetraka eo anoloantsika,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9BA1239-3F1B-4B29-9B31-692828FB7748
19
izay ananantsika ho vatofantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika ary miditra any anatin'ny efitra lamba;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|60DAD73F-CED3-4EBA-B7B1-23C07BECE272
20
tany no nidiran'i Jesosy ho Mpialoha antsika, rehefa tonga Mpisoronabe mandrakizay araka ny fanaon'i Melkizedeka Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4CFA46C0-7250-40A0-9DC5-C88D55C7C702
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany