Andininy
Protestanta Malagasy
1
Fa io Melkizedeka io, izay mpanjakan'i Salema sy mpisoron'Andriamanitra Avy Indrindra, ilay nitsena an'i Abrahama, rehefa niverina avy nandresy ny mpanjaka maro izy ka nitso-drano azy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8B45332D-A546-4EA2-A68D-8CF60C01091F
2
sady nomen'i Abrahama ny ampahafolon'ny zavatra rehetra aza(voalohany, raha adika ny anarany, dia Mpanjakan'ny fahamarinana, dia vao Mpanjakan'i Salema koa, izany hoe: Mpanjakan'ny fiadanana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C9C30DB-10D0-4C0E-83A3-399D609931E0
3
tsy manan-dray, tsy manan-dreny, tsy manana tantaram-pirazanana, tsy manana voalohan'andro na faran'ny fiainana, fa natao tahaka ny Zanak'Andriamanitra), - izy dia mitoetra ho mpisorona mandrakariva.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3CDAABF5-0D2F-40AB-A73A-52DCEDC19799
4
Ary hevero ny halehiben'io lehilahy io, izay nomen'i Abrahama patriarka ny ampahafolon'izay tsara tamin'ny zavatra nobaboina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C27515FB-DBE9-4093-B526-3BF6D381E845
5
Ary izay avy tamin'ny taranak'i Levy ka mandray ny fisoronana no mahazo teny haka ny fahafolon-karena amin'ny olona araka ny lalàna, dia amin'ny rahalahiny izany, na dia teraky ny kibon'i Abrahama aza ireny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83AA6A68-DEC0-40FD-ADEA-46BAEAD25821
6
nefa izay tsy isan'ny firazanan'ireo akory no nandray ny fahafolon-karena tamin'i Abrahama sy nitso-drano ilay nanana ny teny fikazana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1121078C-6AF9-4C29-A245-346EA5020632
7
Ary tsy azo lavina akory anefa fa ny kely no mahazo tso-drano amin'ny lehibe noho ny tenany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B31A593E-E2C6-42EE-9D68-F8FF5C5BB129
8
Ary ety dia izay olona mety maty no mandray ny fahafolon-karena, fa ny kosa dia izay nambara fa velona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E8B2CF73-6B9E-4A08-89D4-A6BE06DC70F5
9
Ary toa azo lazaina fa Levy aza, izay mandray ny fahafolon-karena, dia mba nandoa ny fahafolon-karena koa tao anatin'i Abrahama,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F99E989-27DA-47BC-8C7D-3FFE1C16ABF0
10
satria mbola tao an-kibon-drainy ihany izy tamin'ny nitsenan'i Melkizedeka an'i Abrahama.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A7D47D9-13BE-4D71-9B26-4C7BEBCD6BC5
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany