Andininy
Protestanta Malagasy
1
Fa io Melkizedeka io, izay mpanjakan'i Salema sy mpisoron'Andriamanitra Avy Indrindra, ilay nitsena an'i Abrahama, rehefa niverina avy nandresy ny mpanjaka maro izy ka nitso-drano azy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8B45332D-A546-4EA2-A68D-8CF60C01091F
2
sady nomen'i Abrahama ny ampahafolon'ny zavatra rehetra aza(voalohany, raha adika ny anarany, dia Mpanjakan'ny fahamarinana, dia vao Mpanjakan'i Salema koa, izany hoe: Mpanjakan'ny fiadanana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C9C30DB-10D0-4C0E-83A3-399D609931E0
3
tsy manan-dray, tsy manan-dreny, tsy manana tantaram-pirazanana, tsy manana voalohan'andro na faran'ny fiainana, fa natao tahaka ny Zanak'Andriamanitra), - izy dia mitoetra ho mpisorona mandrakariva.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3CDAABF5-0D2F-40AB-A73A-52DCEDC19799
4
Ary hevero ny halehiben'io lehilahy io, izay nomen'i Abrahama patriarka ny ampahafolon'izay tsara tamin'ny zavatra nobaboina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C27515FB-DBE9-4093-B526-3BF6D381E845
5
Ary izay avy tamin'ny taranak'i Levy ka mandray ny fisoronana no mahazo teny haka ny fahafolon-karena amin'ny olona araka ny lalàna, dia amin'ny rahalahiny izany, na dia teraky ny kibon'i Abrahama aza ireny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83AA6A68-DEC0-40FD-ADEA-46BAEAD25821
6
nefa izay tsy isan'ny firazanan'ireo akory no nandray ny fahafolon-karena tamin'i Abrahama sy nitso-drano ilay nanana ny teny fikazana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1121078C-6AF9-4C29-A245-346EA5020632
7
Ary tsy azo lavina akory anefa fa ny kely no mahazo tso-drano amin'ny lehibe noho ny tenany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B31A593E-E2C6-42EE-9D68-F8FF5C5BB129
8
Ary ety dia izay olona mety maty no mandray ny fahafolon-karena, fa ny kosa dia izay nambara fa velona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E8B2CF73-6B9E-4A08-89D4-A6BE06DC70F5
9
Ary toa azo lazaina fa Levy aza, izay mandray ny fahafolon-karena, dia mba nandoa ny fahafolon-karena koa tao anatin'i Abrahama,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F99E989-27DA-47BC-8C7D-3FFE1C16ABF0
10
satria mbola tao an-kibon-drainy ihany izy tamin'ny nitsenan'i Melkizedeka an'i Abrahama.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A7D47D9-13BE-4D71-9B26-4C7BEBCD6BC5
11
Koa raha nisy fanatanterahana tamin'ny fisoronan'i Levy (fa tamin'izany no nahazoan'ny olona ny lalàna), ahoana no mbola ilana mpisorona hafa hiseho araka ny fanaon'i Melkizedeka ihany, izay tsy hotononina ho arakany fanaon'i Arona?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|045768A2-D387-4E67-9B6F-541DF6CA2B23
12
Fa raha ovana ny fisoronana, dia tsy maintsy ovana koa ny lalàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D55436D3-3810-471D-AC9E-421C1FBBB738
13
Fa Izay nolazaina amin'izany teny izany dia avy tamin'ny firenena hafa, izay tsy nisy olona manompo eo amin'ny alitara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|617DC7E8-A576-4E81-9AFF-15EA72D4BFC4
14
Fa hita marimarina fa avy tamin'ny Joda no nisehoan'ny Tompontsika, ary izany firenena izany dia tsy nisy nolazain'i Mosesy akory ny amin'izay ho mpisorona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9CC9EAAF-2DEA-474B-A364-CB317ABCCF10
15
Ary hita marimarina kokoa indray izany, raha misy Mpisorona hafa miseho ka tahaka an'i Melkizedeka,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|32F8071D-E00E-49B4-B149-39A1FE43C9F4
16
izay natao tsy araka ny lalàn'izay didy momba ny nofo, fa araka ny herin'ny fiainana tsy manam-pahataperana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9892CDDC-8404-4828-916A-65AE7541A368
17
Fa Izy dia nambara hoe: Hianao no Mpisorona mandrakizay araka ny fanaon'i Melkizedeka (Sal. 110. 4).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7ED7DC57-E59F-424D-B753-EEAFDAD75D47
18
Fa misy fahafoanana ny didy nialoha noho ny halemeny sy ny tsi-fanasoavany
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4BED69CE-0DE3-473A-B22F-B872D2B91B55
19
(fa ny lalàna dia tsy nahatanteraka na inona na inona), ary misy kosa fampidirana ny fanantenana tsaratsara kokoa, izay anatonantsika an'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8AAC2EB4-EF8A-49A6-A081-6D38CA44C793
20
Ary tahaka an'i Melkizedeka tsy natao mpisorona raha tsy tamn'ny fianianana
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D9BA003-AB9C-4EBB-BF67-DE1DAF5C54B8
21
- fa ireny kosa dia natao mpisorona tsy tamin'ny fianianana, fa Ity tamin'ny fianianana nataon'Ilay nilaza taminy hoe: Efa nianiana Jehovah ka tsy hanenina: Hianao no Mpisorona mandrakizay (Sal. 110. 4) -
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6BA27295-CD34-43B4-A425-E83C46498805
22
dia tahaka izany koa no nanaovana an'i Jesosy ho Mpiantoka ny fanekena tsara lavitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62EDC7A9-1308-4828-BA98-E70DF881F022
23
Fa natao maro ireny mpisorona ireny, satria tsy navelan'ny fahafatesana haharitra izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5160D454-CC55-4BD8-ADF4-85DEBD1E1777
24
fa Izy kosa dia manana fisoronana tsy dimbasana, satria maharitra mandrakizay Izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|52EAC72E-9F36-41D3-9D6E-D261686AC11F
25
koa amin'izany dia mahavonjy tokoa izay manatona an'Andriamanitra amin'ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|481E1117-0AFC-4A89-AB28-D148EA640F43
26
Fa Mpisoronabe tahaka izao no miendrika ho antsika: dia Izay masina, tsy misy tsiny, tsy misy loto, voasaraka amin'ny mpanota ka natao avo noho ny lanitra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD0F9FD9-DE9E-40E4-9506-2B9DFB6397FB
27
Izay tsy mila hanatitra fanatitra isan-andro tahaka ny ataon'ireny mpisoronabe irany, voalohany noho ny otan'ny tenany, dia vao noho ny an'ny olona kosa; fa izany dia nataony indray mandeha ihany, raha nanatitra ny tenany Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|699F76A6-CA36-402B-BEBE-46C203F4DACF
28
Fa ny lalàna dia manendry olona izay manana fahalemena ho mpisoronabe; fa ny tenin'ny fiainana kosa, izay tato aorian'ny lalàna, dia manendry ny Zanaka, Izay notanterahina ho mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|27989117-08DB-444A-99F8-FEC99ADD1CDC
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany