Andininy Protestanta Malagasy 8 Fa manome tsiny ny olona Izy manao hoe: "Indro avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin'ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda, 9 Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin'ny razany tamin'ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; fa izy ireny tsy nitoetra tamin'ny fanekeko, Ary izaho kosa dia tsy nitandrina azy, hoy Jehovah. 10 Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'Isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalĂ ko, sady hosoratako ao am-pony, ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko; 11 Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy izy, na hanao hoe: MahalalĂ an'I Jehovah; fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra; 12 Amin'ny anaovany hoe 'vaovao' dia nataony fa efa ela ny voalohany. Fa izay tratra ela sy mihahantitra dia efa madiva ho levona.
|