Andininy
Protestanta Malagasy
1
Koa na dia ny fanekena voalohany aza dia nisy fitsipika ny amin'ny fanompoam-pivavahana, ary nisy ny fitoerany masina momba ny ety an-tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4BD3617B-F5B7-4204-BB64-BF061D99A05F
2
Fa nisy tabernakely voavoatra: ny efitra voalohany, ilay atao hoe 'ny fitoerana masina,' izay nisy ny mofo aseho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E6F06441-7145-4C96-AC88-BFF7B5B56A70
3
Ary ao anatin'ny efitra lamba faharoa no nisy ny tabernakely izay atao hoe 'ny fitoerana masina indrindra,'
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8C61CBD-4434-4589-B2CF-5F67C1AE7974
4
izay nisy lobia volamena fandoroana ditin-kazo manitra sy ny fiaran'ny fanekena, izay voapetaka takela-bolamena avokoa; ary tao anatin'io nisy ny vilany volamena, izay nitoeran'ny mana, sy ny tehin'i Arona izay nitsimoka, ary ny vato fisaky ny fanekena;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1B1C4157-3244-4B33-BEAA-F72F51C180AB
5
ary teo ambonin'io koa ny kerobima nisy ny voninahitra, izay nanaloka ny rakotra fanaovam-panavotana, -tsy atonay lazaina tsirairay ireo ankehitriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|367ECA44-571C-4414-8E91-BB66D982825D
6
Ary rehefa voavoatra toy izany ireo zavatra ireo, dia miditra mandrakariva ao amin'ny tabernakely voalohany ny mpisorona hanefa ny fanompoam-pivavahana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|621D6846-F617-4D0F-BF49-3FD14FD357DE
7
Fa ny faharoa kosa no idiran'ny mpisoronabe irery ihany indray mandeha isan-taona; ary izy aza dia tsy miditra, raha tsy mitondra ra, izay ateriny noho ny amin'ny tenany sy ny fahadisoana nataon'ny olona amin'ny tsi-fahalalana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A2887F6-F393-407F-845F-134A34B6E4A6
8
koa izany no anambaran'ny Fanahy Masina fa tsy mbola voaseho ny làlana mankany amin'ny fitoerana masina indrindra, raha mbola ao ihany ny tabernakely voalohany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B2266FBE-4B36-494D-9A7A-EB3AE8494CAA
9
fanoharana izany amin'izao andro ankehitriny izao, ary araka izany no anaterana fanomezana fanatitra, izay tsy mahatanteraka ny mpivavaka ny amin'ny fieritreretana
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|420CB033-984B-4B79-91FE-63D18D45F6C4
10
(fa naman'ny zavatra hohanina sy ny zavatra hosotroina sy ny fanasana samy hafa), dia fitsipika araka ny nofo, voatendry hatao mandra-pihavin'ny andro fanovana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|01147F02-293F-40EE-AA07-66FFB705F4A2
11
Fa Krisy kosa, rehefa tonga ho Mpisoronabe ny amin'ny zavatra tsara ho avy, dia namaky teo amin'ny tebernakely lehibe lavitra sady tsara lavitra, izay tsy nataon-tànana, izany hoe, tsy isan'izao zavatra ary izao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|198F3836-1F0B-4B43-A148-BE2B8C3D10B3
12
ary tsy mba nitondra ran'osilahy sy ran-janak'omby Izy, fa ny ran'ny tenany, dia niditra indray mandeha ho any amin'ny fitoerana masina ka nahazo fanavotana mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C569CC4E-0421-4185-9692-3CC98232725A
13
Fa raha ny ran'osilahy sy ny ran'ombilahy ary ny lavenom-batotr'ombivavy afafy amin'izay voaloto no manamasina hatramin'ny fanadiovana ny nofo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D65A1645-10BF-4916-90D2-2E2059D4A9A9
14
mainka fa ny ran'i Kristy, Izay nanatitra ny tenany tsy manan-tsiny ho an'Andriamanitra, tamin'ny alalan'ny Fanahy mandrakizay, no hahadio ny fieritreretanareo ho afaka amin'ny asa maty mba hanompoanareo an'Andriamanitra velona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C338FC1C-4852-4451-BDFB-11FBB5D250C0
15
Ary noho izany dia Mpanalalana amin'izay fanekena vaovao Izy, rehefa niaritra fahafatesana ho fanavotana amin'ny fahotana natao tamin'ny fanekena voalohany, mba hahazoan'izay voantso ny teny fikasana, dia ny lova mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|033B8434-3744-473B-9829-020C1DCB2ABF
16
Fa raha misy didim-pananana, dia teny foana izany, raha tsy efa maty ilay nanao azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E7CCCE1B-D991-43CD-88D8-DD42E9E7BFBE
17
Fa mafy ny didim-pananana, rehefa tonga ny fahafatesana; fa tsy mafy akory izany, raha mbola velona ilay nanao azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19C962C4-5A65-4D55-9A18-C59FDCE13D76
18
Koa na dia ny fanekena voalohany aza dia tsy nohamasinina raha tsy nisy ra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A947345-ACB8-48EC-9A99-32103690B517
19
Fa rehefa voalazan'i Mosesy tamin'ny vahoaka rehetra ny didy rehetra araka ny lalàna, dia nalainy ny ran-janak'omby sy ny ran'osilahy mbamin'ny rano sy ny volon'ondry jaky sy ny hysopa ka nafafiny tamin'ny boky sy ny vahoaka rehetra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66F50100-DEAA-48D1-9572-81CCAC2A14E9
20
dia hoy izy: Ity no ran'ny fanekena izay nandridian'Andriamanitra anareo (Eks. 24. 8).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7936097F-F572-4086-BCD9-64B3B71F3F3F
21
Ary ny tabernakely sy ny fanaka rehetra enti-manao fanompoam-pivavahana dia nofafazany ra toy izany koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C05B392A-EEA4-48E6-8192-80B26515AF13
22
Ary saiky diovina amin'ny ra avokoa ny zavatra rehetra araka ny lalàna; fa raha tsy misy ra alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9870485D-8A44-45ED-8EC5-7865420B207F
23
Koa dia tsy maintsy diovina tamin'ireny ny tandindon'ny zavatra any an-danitra, fa ny tenan'ny zavatra any an-danitra kosa dia tamin'izay fanatitra tsara noho ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C32F1C0A-858B-45DD-B983-38A0621F635C
24
Fa Kristy tsy mba niditra tao amin'izay fitoerana masina nataon-tànana, izay tandindon'ny tena fitoerana masina, fa ho any an-danitra tokoa, mba hiseho eo anatrehan'Andriamanitra ankehitriny ho antsika;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|60F1D32C-1BB0-44F6-B323-ADBA5ADE60D2
25
ary tsy niditra Izy mba hanatitra ny tenany matetika, tahaka ny mpisoronabe miditra ao amin'ny fitoerana masina isan-taona mitondra ny ran'ny zavatra hafa;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4B4AFF11-EF96-446B-87F2-0081EA9B341E
26
fa raha izany, dia tsy maintsy ho nijaly matetika Izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao; fa ankehitriny dia efa naseho indray mandeha tamin'izao andro farany izao Izy mba hanafaka ny ota tamin'ny nanaterany ny tenany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F570A3B8-7397-48F0-B11C-66B30547D535
27
Ary tahaka ny nanendrena ny olona ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD12FFFC-26BF-4ABD-9FED-776E98101CFD
28
dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan'ny maro, dia hiseho fanindroany, tsy amin'ota, amin'izay miandry Azy, ho famonjena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F4461CA-F6DE-45C6-89E6-23166513ED10
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany