Jakoba 1: 1-27

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Jakoba, mpanompon'Andriamanitra sy Jesosy Kristy Tompo, mamangy ny firenena roa ambin'ny folo monina any am-pielezana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|52B9A110-7860-4FE8-961E-C1854519EDD2
2
Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan'ny fakam-panahy samy hafa hianareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5CEA6F3A-8F77-4CD3-A229-08179BD58C62
3
satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37A9F29F-7173-473C-BFA1-00081B9E5F7A
4
Ary aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy tonga ohatra hianareo, ka tsy hisy tsy ampy na inona na inona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A736ACF1-B668-41C4-844D-9ED5EBD358D1
5
Ary raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin'Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an'ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|511225D1-39E4-44CD-8780-91CFA36E85C6
6
Nefa aoka hangataka amin'ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin'ny rivotra ka atopatopany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5CA5BF01-B849-4BBC-AEE4-95C13CE9170D
7
Fa aoka tsy hanampo handray zavatra amin'ny Tompo izany olona izany:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18C44D6B-8E35-43BF-B93D-12FB8437B901
8
olona miroa saina izy, miovaova amin'ny alehany rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|549BB93E-10C4-4730-A8A7-227B7532F16C
9
Aoka ny rahalahy izay ambany hanao ny fisandratany ho reharehany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7307A89F-5704-424B-9C3B-67103D34D802
10
fa ny manan-karena kosa ny fietreny, satria ho levona tahaka ny vonin'ny ahitra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C3F2557-9416-40DB-901A-2FBC0D52FC9F
11
Fa miposaka ny masoandro mbamin'ny hainandro mahamay, dia mampahalazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny, ary levona ny hatsaran-tarehiny; dia toy izany koa no ho fahalazon'ny manan-karena amin'ny alehany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D9CA66B9-9837-4C63-AB9F-9AA477500053
12
Sambatra izay olona maharitra fakam-panahy; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satroboninahitra fiainana, izay nolazain'ny Tompo homena izay tia Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2011DD70-C115-44F9-9FD8-FF8E5CF09A1D
13
Raha misy alaim-panahy, aoka izy tsy hanao hoe: Andriamanitra no maka fanahy ahy; fa Andriamanitra tsy azon'ny ratsy alaim-panahy, sady tsy mba maka fanahy olona Izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B62DC0BD-F9D8-41BB-85D4-B4CE7D9E261B
14
fa samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin'ny filany sy fitahiny izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F93E355-6FA9-4373-9277-1EBBD88F4725
15
Ary ny filana, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka dia miteraka fahafatesana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD7117F8-B9E5-4C93-9C20-3F379023D789
16
Aza mety hofitahina hianareo, ry rahalahy malalako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D406E827-CC9C-453B-A550-C5FA1613EFC2
17
Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony ka midina avy amin'ny Rain'ny fanazavana, Izay tsy misy fiovaovana na aloka avy amin'ny fihodinana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0F04CCC-28D7-490B-8CCF-AA4398E49357
18
Tamin'ny sitrapony no niterahany antsika tamin'ny teny fahamarinana, mba ho santatry ny zavatra noforoniny isika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F61F222-D112-4955-8158-DB5743FF8566
19
Fantatrareo izany, ry rahalahy malalako. Kanefa aoka ny olona rehetra halady hihaino, ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|29135268-1ECD-4438-9207-B73632074CAC
20
fa ny fahatezeran'ny olona tsy ahefana izay marina eo imason'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E6111A4-3ADB-4D73-BC0F-8CBD9738900E
21
Koa ario ny fahalotoana sy ny lolom-po rehetra, ary ekeo amin'ny fahalemem-panahy ny teny nambolena, izay mahavonjy ny fanahinareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2FDB9FE9-C8E1-4F23-A5E2-7B0143312612
22
Fa aoka ho mpankato ny teny hianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B7F6FED4-317C-4D9E-9D84-FED13A317559
23
Fa raha misy mpihaino ny teny, nefa tsy mpankato, dia toy ny olona mizaha ny tarehiny eo amin'ny fitaratra izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F1278E1-4FBF-45EB-AAF5-BFCB8E31EAE5
24
fa mijery ny tenany izy, dia lasa, ary miaraka amin'izay dia hadinony ny tarehiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C60281CE-339E-4DE3-AB24-9CF9EE6582DD
25
Fa izay mandinika ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn'ny fahafahana, ka maharitra amin'izany, raha tsy mpihaino manadino, fa mpanao ny asa, dia ho sambatra amin'ny asany izany olona izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A146D577-B912-4341-A14B-6DF12C6B8F56
26
Raha misy manao azy ho mpivavaka, nefa tsy mamehy ny vavany, fa mamitaka ny fony, dia zava-poana ny fivavahan'izany olona izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7DAE1A0C-E2A0-4153-8C60-DDD0674BB29B
27
Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan'Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin'ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin'izao tontolo izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8E6DB6A-8433-4AD4-8533-39221D1CAFB7
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany