Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ry rahalahiko, aoka tsy hasiana fizahan-tavan'olona ny finoanareo ny Tompontsika, dia Jesosy Kristy, Tompon'ny voninahitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9A85F2B-5A73-459F-B025-337E42066ED9
2
Fa raha misy olona miditra eo amin'ny synagoganareo misy peratra volamena amin'ny ratsan-tànany sady miakanjo tsara, ary mba miditra kosa izay olona malahelo miakanjo ratsy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12981D04-EBD4-433E-818C-4ADCD592F343
3
koa mijery ilay miakanjo tsara hianareo ka manao hoe: Mipetraha eto amin'ny fitoerana aloha hianao; ary manao amin'ilay malahelo kosa hoe: Mitoera eroa hianao, na: Mipetraha etsy amin'ny fitoeran-tongotro,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|869AE32C-97E9-4D36-8158-9BAA790E0A41
4
moa tsy miangatra va hianareo amin'izany ka efa mpitsara manan-kevi-dratsy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|45D66247-A345-457A-8A77-51DA64BD3FC8
5
Mihainoa, ry rahalahy malalako: Tsy efa nofidin'Andriamanitra va ny malahelo amin'izao fiainana izao ho mpanan-karena amin'ny finoana sy ho mpandova ny fanjakana nolazainy homena izay tia Azy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE46881A-CA9F-4CEE-81D0-79A458DCC7EF
6
Fa hianareo efa nanala-baraka ny malahelo. Moa tsy ny mpanan-karena va no mampahory anareo? Ary tsy izy va no mitarika anareo ho eo amin'ny fitsarana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D2A26254-4AEE-4B98-8943-7135E39A539E
7
Tsy izy koa va no miteny ratsy ny anarana tsara izay niantsoana anareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|21841F11-ED34-4E08-A43F-DD219297CD7A
8
Kanefa raha mankato ilay didy ambony indrindra hianareo, araka ny Soratra Masina hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18), dia manao tsara hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A0B509AC-EC51-4049-AB72-1F5DDC0F821B
9
Fa raha mizaha tavan'olona kosa hianareo, dia manota ka helohin'ny lalàna ho mpanota.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79F04D4E-C1C2-41CA-843F-14D097123F29
10
Fa na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin'ny iray loha, dia meloka amin'izy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C1E38065-892D-4D27-859B-ECAF74438EB2
11
Fa Ilay nanao hoe: Aza mijangajanga no nanao hoe koa: Aza mamono olona (Eks. 20. 13, 14). Fa raha tàhiny tsy mijangajanga hianao, kanefa mamono olona ihany, dia mpandika ny lalàna hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B528C0CA-3883-412B-A0D3-58A56798C5EA
12
Aoka hianareo hiteny sy hanao araka izay mahamendrika anareo, izay olona hotsarain'ny lalàn'ny fahafahana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|776C2DF6-4135-4C67-9735-E86C46714D29
13
Fa fitsarana tsy misy famindrampo no ho anjaran'izay tsy mamindra fo; ary ny famindrampo kosa dia faly, fa tsy mba matahotra ny fitsarana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7376EBDB-3354-4A7F-BD93-CA6E7DDC11C0
14
Inona moa no soa azo, ry rahalahiko, raha misy milaza fa manam-pinoana izy, nefa tsy manana asa? Ny finoana va mahavonjy azy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EFBC2EEC-A702-4BE6-A7D3-144C42CEE881
15
Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sady tsy manan-kohanina isan-andro,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C5A8D613-4681-4518-9AFF-CAD6F10F5E32
16
ka misy aminareo manao aminy hoe: Mandehana amin'ny fiadanana, mamindroa, mivokisa, kanefa tsy omenareo azy tsinona izay tandrifiny ho an'ny tenany, inona moa no soa azo amin'izany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0A3B8DCC-8C7F-476B-9E1B-D82ACCC3AE72
17
Ary mba toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C849059-4465-4A31-8254-B529E99BAECB
18
Fa angamba hisy hanao hoe: Hianao manam-pinoana, ary izaho manana asa; asehoy amiko tsy amin'ny asa ny finoanao, ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin'ny asako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD71EFD9-15DC-470F-9C22-CA8B8A9CE648
19
Hianao mino fa iray ihany no Andriamanitra; koa tsara izany ataonao izany, ny demonia koa mino izany ka dia mangovitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CE80844F-CB42-4A73-9DBC-536403317A9F
20
Moa tsy fantatrao va, ry olom-poana, fa tsy vanona ny finoana tsy misy asa?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|691888B6-3F1C-4FA9-A507-966C3BFA37F1
21
Tsy nohamarinina tamin'ny asa va Abrahama razantsika tamin'ny nanaterany an'Isaka zanany teo ambonin'ny alitara?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|41A0C01D-8DD3-46AE-9098-1B27B9B3FB87
22
Hitanao fa niara-niasa tamin'ny finoana ny asany, ary ny finoana dia notanterahina tamin'ny asa;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0A7599E9-301D-4B56-A6AC-716E0D0124AC
23
ary tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: Ary Abrahama nino an'Andriamanitra, ka nisaina ho fahamarinany izany (Gen. 15. 6), ary natao hoe Sakaizan'Andriamanitra izy (Isa. 41. 8).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|085FCE35-E6E4-4F07-BC50-E2A969065DF5
24
Koa dia hitanareo fa hamarinina amin'ny asa ny olona, fa tsy amin'ny finoana ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F4EFAC6-A57D-4C3C-BE99-33C9FD76972C
25
Ary toy izany koa Rahaba janga, tsy nohamarinina tamin'ny asa va izy tamin'ny nandraisany ireny iraka ireny sy ny nampandehanany azy tamin'ny lalàn-kafa?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|26286747-9266-4A5A-BBA5-5575EF16C9D4
26
Fa maty ny tena, raha tsy misy fanahy, ary maty toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F12D727-B7C0-4229-BC03-1DCDBC503DE8
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany