Andininy Protestanta Malagasy 1 Ry rahalahiko, aoka tsy hasiana fizahan-tavan'olona ny finoanareo ny Tompontsika, dia Jesosy Kristy, Tompon'ny voninahitra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9A85F2B-5A73-459F-B025-337E42066ED9 2 Fa raha misy olona miditra eo amin'ny synagoganareo misy peratra volamena amin'ny ratsan-tànany sady miakanjo tsara, ary mba miditra kosa izay olona malahelo miakanjo ratsy, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12981D04-EBD4-433E-818C-4ADCD592F343 3 koa mijery ilay miakanjo tsara hianareo ka manao hoe: Mipetraha eto amin'ny fitoerana aloha hianao; ary manao amin'ilay malahelo kosa hoe: Mitoera eroa hianao, na: Mipetraha etsy amin'ny fitoeran-tongotro, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|869AE32C-97E9-4D36-8158-9BAA790E0A41 4 moa tsy miangatra va hianareo amin'izany ka efa mpitsara manan-kevi-dratsy? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|45D66247-A345-457A-8A77-51DA64BD3FC8 5 Mihainoa, ry rahalahy malalako: Tsy efa nofidin'Andriamanitra va ny malahelo amin'izao fiainana izao ho mpanan-karena amin'ny finoana sy ho mpandova ny fanjakana nolazainy homena izay tia Azy? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE46881A-CA9F-4CEE-81D0-79A458DCC7EF 6 Fa hianareo efa nanala-baraka ny malahelo. Moa tsy ny mpanan-karena va no mampahory anareo? Ary tsy izy va no mitarika anareo ho eo amin'ny fitsarana? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D2A26254-4AEE-4B98-8943-7135E39A539E 7 Tsy izy koa va no miteny ratsy ny anarana tsara izay niantsoana anareo? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|21841F11-ED34-4E08-A43F-DD219297CD7A 8 Kanefa raha mankato ilay didy ambony indrindra hianareo, araka ny Soratra Masina hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18), dia manao tsara hianareo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A0B509AC-EC51-4049-AB72-1F5DDC0F821B 9 Fa raha mizaha tavan'olona kosa hianareo, dia manota ka helohin'ny lalàna ho mpanota. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79F04D4E-C1C2-41CA-843F-14D097123F29
|