Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ry rahalahiko, aza dia samy ho mpampianatra be ihany hianareo, satria fantatrareo fa ho mafimafy kokoa no hitsarana anay mpampianatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E03F398C-5ACF-4A61-B05E-A58C463EC710
2
Fa tafintohina amin'ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy olona tsy mba tafintohina amin'ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka ka mahafehy ny tenany rehetra koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|22F64B46-59CE-430E-B265-DA84DF6F88A7
3
Ary raha asiantsika lamboridy amin'ny vavan'ny soavaly mba hanarahany antsika, dia mitondra ny tenany rehetra isika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|25B4149A-081F-4567-AF25-E05FB6CDF031
4
Indreo koa ny sambo, na dia lehibe aza ireny ka entin'ny rivotra mahery, dia ahodin'ny familiana kely foana izy ho any amin'izay tian'ny mpitondra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE8485F1-3592-483D-86EF-59963A1DAAF1
5
Dia toy izany koa ny lela, rantsana kely izy, kanefa mirehareha fatratra. Indro ny fiavovon'ny antontan-kazo arehitry ny afo kely!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|47D82D34-35EA-4AFA-B912-AC0D83F5B8EE
6
Ary afo ny lela, dia faharatsiana tsy hita lany; eo amin'ny momba ny tenantsika dia ny lela no mampipentimpentina ny tena rehetra ka mampirehitra izao zavatra ary rehetra izao, sady arehitry ny helo izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ABFAB5FB-566A-4176-AED8-91043F71EFB2
7
Fa folaka avokoa ny karazan'ny bibi-dia rehetra sy ny vorona sy ny biby mandady sy mikisaka mbamin'ny any an-dranomasina, eny, voafolaky ny olombelona ireny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D134A4A-2B51-4584-A153-97E4D1625B15
8
fa tsy misy olona mahafolaka ny lela; zava-dratsy tsy manam-pijanonana izy sady feno ody mahafaty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C846AA83-C3DE-4F9C-AF56-FD73221BD120
9
Izy no isaorantsika ny Tompo, dia ny Ray; ary izy ihany koa no anozonantsika ny olona, izay natao araka ny endrik'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1AF79B68-ED03-4C5F-94BC-5E9E85B89902
10
Ny vava iray ihany no ivoahan'ny fisaorana sy ny fanozonana. Ry rahalahiko, tsy mety raha misy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|590E17EE-CD20-489F-819D-9200404D922E
11
Moa ny loharano va mamoaka rano mamy sy mangidy eo amin'ny vavany iray ihany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E1F624A-E7BE-40EF-81F1-8C2176E88FDB
12
Ry rahalahiko, ny aviavy va mety mamoa voan'oliva, na ny voaloboka mamoa voan'aviavy? Toy izany ny rano masirasira tsy mba ivoahan'ny mamy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|059D9FC1-7B95-42DB-9239-DA978DA93D67
13
Iza eo aminareo no hendry sy manam-pahalalana? Aoka asehony amin'ny fitondrantena tsara ny asany amin'ny fahalemem-panahin'ny fahendrena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|70844801-1075-4B3E-8F9C-5DE17EA93120
14
Fa raha misy fialonana mirehitra sy fifampiandaniana ao am-ponareo, aza mirehareha na mandainga manohitra ny marina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FEF7A4ED-45EB-4C8E-BD76-A9226A5EB28F
15
Izany fahendrena izany dia tsy ny avy any ambony, fa araka ny ety an-tany ihany, araka ny nofo, araka ny an'ny demonia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7775965D-C1F0-4364-A524-FF31D4318E23
16
Fa izay misy fialonana sy fifampiandaniana dia misy fikorontanana mbamin'izay asa ratsy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40ECFA43-0F92-4ECB-953B-927E1B0E1EBF
17
Fa ny fahendrena izay avy any ambony dia madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindrampo sy be voka-tsoa, tsy miahanahana na mihatsaravelatsihy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2BB9457A-0EB7-4A61-A293-852DD016FFD9
18
Ary ny vokatry ny fahamarinana dia afafy amin'ny fihavanana ho an'izay mampandroso ny fihavanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF350D75-AADA-41B3-AD8D-3C92A8F43552
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany