Andininy
Protestanta Malagasy
1
Avy aiza ny ady, ary avy aiza ny fifandirana eo aminareo? Tsy izao va no ihaviany, dia ny filanareo izay miady ao anatin'ny momba ny tenanareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|668BF1DC-2DE7-4CF3-ADC8-1F08F8422AAD
2
Mila hianareo, nefa tsy manana ihany; mamono sy mitsiriritra hianareo, nefa tsy mahazo ihany; mifanditra sy miady hianareo; tsy manana hianareo, satria tsy mangataka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B831E81-A35C-4802-B731-51D59E190A28
3
Mangataka hianareo, nefa tsy mahazo ihany, satria diso fangataka, mba holaninareo amin'ny filanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F6EE420-7E1D-4443-B970-B61F2502E7B0
4
Ry mpisintaka mpijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an'Andriamanitra ny fisakaizana amin'izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan'izao tontolo izao, dia fahavalon'Andriamanitra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FC517D2B-A0F7-44C6-9516-ECEE8C6A6858
5
Ary ataonareo va fa miteny foana ny Soratra Masina? Ny fanahy izay nampitoeriny ato anatintsika dia iriny amin'ny fahasaro-piaro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C7DA69DA-E7A7-48A5-9F30-069E563159B7
6
Nefa manome fahasoavana bebe kokoa Izy. Koa hoy izy: Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona, fa manome fahasoavana ho an'ny manetry tena (Oha. 3. 34).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E6733DF4-F151-4F8F-B62C-9570DA263BD2
7
Ka dia maneke an'Andriamanitra hianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A40DD98-D52D-42A8-92F7-B85B74EB224D
8
Manatona an'Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tànanareo, ry mpanota; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F8523A26-AB88-49E4-BD02-7A3115B901E4
9
Oria, sy mitomania, ary midradradradrà; aoka hody fitomaniana ny fihomehezanareo, ary hody fanjoretana ny fifalianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|872C73DA-0CCD-49B4-B1E8-02CC9A771D7F
10
Manetre tena eo anatrehan'ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9F64C43-5929-4330-ABAC-40D6B2680A7F
11
Aza mifanaratsy, ry rahalahy. Izay manaratsy rahalahy na mitsara ny rahalahiny dia manaratsy ny lalàna sy mitsara ny lalàna; fa raha mitsara ny lalàna hianao, dia tsy mpankato ny lalàna, fa mpitsara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E1D975A-DBB7-4054-94B9-B96EA15319C2
12
Iray ihany no Mpanome lalàna sy Mpitsara dia Ilay mahavonjy sy mahavery; fa iza moa hianao, no mitsara ny namanao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34F002CA-77C9-4BFA-A4D4-44B4635D76D9
13
He! hianareo izay manao hoe: Anio na ampitso dia hankany Ananona izahay ary hitoetra any herintaona ka hividy sy hivarotra ary hahazo tombom-barotra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5FA547C2-1DDD-4A39-995F-C1E684F342CE
14
kanefa tsy mahalala ny ho ampitso hianareo. Inona moa ny ainareo? Fa zavona ihany hianareo, izay miseho vetivety, dia levona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A77CE21E-DB86-4986-91D3-05A649D7DB8F
15
Fa aleo manao izao: Raha sitrapon'ny Tompo, ka velona izahay, dia hataonay izao na izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|163DEB06-2525-40F9-AF1B-C3E299B03E0D
16
Fa izao dia mirehareha amin'ny fahasahianareo hianareo; ratsy ny fireharehanareo rehetra toy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|78ED5CC0-843C-4A69-963C-A616FB3E0547
17
Koa izay mahalala hanao soa, nefa tsy manao, dia heloka ho azy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|320E6041-238A-4522-B1DE-44DBD6503A02
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany