Jakoba 5: 1-20

Andininy
Protestanta Malagasy
1
He! hianareo manan-karena, mitomania sy midradradradrà noho ny fahoriana izay efa manjo anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC730E03-1BF5-46A7-A5D3-88417203DF92
2
Ny harenareo efa lanin'ny kalalao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC642425-6C4E-48EF-A36D-3C6CC5013CA1
3
Ny volamena sy ny volafotsinareo dia efa harafesina; ary ny harafesiny dia ho vavolombelona hiampanga anareo sady handany ny nofonareo tahaka ny afo. Efa namory harena amin'ny andro farany hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4CF4C505-40E5-4A19-B43E-D244C5A62467
4
Indro, ny karaman'ny mpiasa nijinja ny taninareo, izay hazoninareo, dia mitaraina; ary ny fitarain'ny mpijinja dia efa tafiditra amin'ny sofin'ny Tompon'ny maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|765F5C7B-302B-40F7-B64B-5711051BD762
5
Efa velona tamin'ny fy tety ambonin'ny tany hianareo sady nanaram-po tamin'ny fahafinaretana; efa namahy ny fonareo tamin'ny andro hamonoana hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|04C94804-A29F-4C3D-AC1D-18B344B32723
6
Efa nanameloka namono ny marina hianareo; fa tsy manohitra anareo izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|521028CB-42B5-467D-9D88-CF6785C25978
7
Ary amin'izany dia mahareta tsara, ry rahalahy, mandra-pihavin'ny Tompo. Indro, ny mpiasa tany miandry ny voka-tsoa amin'ny tany ka maharitra amin'izany mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4C81ED4C-0E2F-4A99-9029-775E059A4E4B
8
Mahareta koa hianareo, mampahereza ny fonareo, fa efa mby akaiky ny fihavian'ny Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|29C8449B-6592-4B4D-9D67-4BC63DE2197E
9
Aza mifampimonomonona, ry rahalahy, fandrao hohelohina hianareo; indro, ny Mpitsara efa mitsangana eo anoloan'ny varavarana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0E62999-4643-4745-883F-CCDC94409429
10
Ry rahalahiko, aoka ny mpaminany izay niteny tamin'ny anaran'ny Tompo no halainareo ho fianarana ny fandeferam-pahoriana sy ny faharetana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68EC9C34-C7EB-43B2-8243-13D254550BF8
11
Indro ataontsika fa sambatra izay efa naharitra. Efa renareo ny faharetan'i Joba, ary efa hitanareo ny faran'ny nataon'ny Tompo taminy, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindrampo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3BD23BFE-3D58-410A-8252-288FB5DADFBC
12
Fa mihoatra noho ny zavatra rehetra, ry rahalahiko, aza mianiana, na amin'ny lanitra, na amin'ny tany, na amin'izay fiainana hafa akory aza; fa aoka ny fanaikinareo ho 'Eny,' ary ny fandanareo ho 'Tsia,' fandrao hiharan'ny fitsarana hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5269BC0B-66C7-4036-84CA-774811D8FC7E
13
Misy azom-pahoriana va eo aminareo? Aoka izy hivavaka. Misy faly va? Aoka izy hihira fiderana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85918122-E36A-46AA-826B-565214D43F2C
14
Misy marary va eo aminareo? Aoka izy hampaka ny loholon'ny fiangonana; ary aoka hanosotra diloilo azy amin'ny anaran'ny Tompo ireo sady hivavaka eo aminy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4FF9B2FA-6ADE-4E5D-A687-9A49B6239496
15
ary ny fivavaky ny finoana dia hamonjy ilay marary, fa ny Tompo hanangana azy; ary raha nanota izy, dia havela ny helony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|72CE9D85-FBAF-411E-94DC-F55875BEAB3F
16
Koa mifaneka heloka hianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana hianareo. Ny fiasan'ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0AA993B-A8DF-4063-A966-A679153B4834
17
Elia dia olona tahaka antsika ihany, ary izy nahery nivavaka mba tsy hilatsahan'ny ranonorana, dia tsy nilatsaka tamin'ny tany ny ranonorana telo taona sy enim-bolana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|01B85CDB-4427-4768-9879-F7AB9FC1D694
18
Ary nivavaka indray izy, dia nandatsaka ranonorana ny lanitra, ka nahavokatra ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B17187AE-9BEC-4482-8A3F-ED19909C00F9
19
Ry rahalahiko, raha misy eo aminareo miala amin'ny fahamarinana, ary misy anankiray mampibebaka azy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|434AFC37-B17E-46C6-A2AD-E3E554BDAC42
20
aoka ho fantany fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin'ny làlan'ny fahadisoany dia hamonjy fanahy tsy ho faty sady hanarona heloka be.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|569F8A1A-BEBC-4775-A31A-66B3EDD4757C
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany