IPetera 1: 3-9

Andininy
Protestanta Malagasy
3
Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay niteraka antsika indray araka ny haben'ny famindrampony ho amin'ny fanantenana velona tamin'ny nitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|804729CC-91B1-4DA0-A7CF-E71156843ADD
4
ho amin'ny lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho anareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|351D24BD-F905-4B72-8B72-6B0852240DA5
5
izay arovan'ny herin'Andriamanitra amin'ny finoana ho amin'ny famonjena efa vonona haseho any am-parany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|577C563A-D461-414A-AC11-91ED61395CBB
6
Izany no iravoravoanarao, na dia ampalahelovina vetivety ankehitriny amin'ny fakam-panahy maro samy hafa aza hianareo, raha tsy maintsy hisy izany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6AB54B3B-5CD7-42D5-A926-C82DB408C680
7
mba ho hita ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana ny fizahan-toetra ny finoanareo (izay tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba, na dia voazaha toetra tamin'ny afo aza), dia amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B442F86-BE68-4DB9-BAC5-116E1E21A39F
8
Izay, na dia tsy mbola hitanareo aza, dia tianareo, ary na dia tsy hitanareo ankehitriny aza, anefa, satria inoanareo, dia iravoravoanareo amin'ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|96EB873F-6885-418F-8A63-B190605AC8C8
9
mandray ny anton'ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5298EE85-5A38-45AC-9CB0-3BC449F07D56
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany