Andininy
Protestanta Malagasy
1
Koa esory ny lolompo rehetra sy ny fitaka rehetra sy ny fihatsarambelatsihy sy ny fialonana ary ny fanaratsiana rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E198F985-D27C-4B4C-BCDC-6DCC959F41E6
2
fa tahaka ny zaza vao teraka dia maniria ny rononom-panahy tsy misy fitaka, mba hitomboanareo amin'izany ho amin'ny famonjena,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2575B9EF-8787-41E0-809F-55D9EE29FEDF
3
raha tahiny nanandrana hianareo fa tsara ny Tompo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A9ED85C-75BD-47B4-855C-990F29E8DA83
4
Izay hatoninareo toy ny vato velona, nolavin'ny olona, fa voafidin'Andriamanitra sady soa,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1101BDFA-DC51-4242-A33E-07F0880FF572
5
ka dia atsangana koa hianareo tahaka ny vato velona ho trano fanahy, ho fisoronana masina, hanatitra fanati-panahy sitrak'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6FB35174-0BC9-4586-AFB0-F757987953EB
6
Fa misy teny ao amin'ny Soratra Masina manao hoe: Indro mametraka fehizoro ao Ziona Aho, dia vato voafidy tsara; Ary izay mino Azy tsy ho menatra (isa. 28. 16).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2553F157-871E-416D-9E15-B739A948A37D
7
Koa ny fahatsarana dia ho anareo izay mino; fa amin'izay tsy mino kosa Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano no efa tonga fehizoro (Sal. 118. 22).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|139F7B83-B703-4280-971A-0C60C083A301
8
Ary ny vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka (Isa. 8. 14); ary satria tsy nanaiky ireo, dia tafintohina tamin'ny teny izy, sady izany koa no nanendrena azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A2846EC-7652-4F2D-8DBB-8C1F5763D195
9
Fa hianareo kosa dia taranaka voafidy, fanjakà-mpisorona, firenena masina (Eks. 19. 6), olona nalain'Andriamanitra ho an'ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran'Ilay niantso anareo hiala tamin'ny maizina ho amin'ny fahazavany mahagaga;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|70CF6FBB-5537-46FB-9887-BEE7F17D5B48
10
dia hianareo izay tsy firenena akory fahiny, fa ankehitriny efa olon'Andriamanitra; izay tsy namindrana fo, fa ankehitriny efa namindrana fo (Hos. 2. 25).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8ABBAC76-29AB-4CA5-A9C7-CB5BDE592043
11
Ry malala, mananatra anareo aho, satria vahiny sy mpivahiny hianareo, fadio ny filan'ny nofo, fa miady amin'ny fanahy ireny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1F2B89B3-16FF-4858-804A-B814B0268B37
12
ary aoka ho tsara ny fitondrantenanareo eo amin'ny jentilisa, mba hankalazany an'Andriamanitra amin'ny andro famangiana noho ny ahitany ny asa tsara ataonareo, dia izay anendrikendrehany anareo ho mpanao ratsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|30B5A324-7009-463E-9279-02F724F2A02D
13
Ary noho ny Tompo dia maneke izay rehetra voatendrin'ny olona, na ny mpanjaka, satria ambony izy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D3BA73F3-96AD-4309-BE4B-31692C6BB08D
14
na ny mpanapaka, satria nirahiny hamaly izay manao ratsy izy, fa ho mpidera izay manao tsara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F16287E0-EA17-4262-AB13-4001DEFCFC67
15
Fa toy izany no sitrapon'Andriamanitra, hampanginanareo ny tsi-fahalalan'ny olona adala amin'ny fanaovan-tsoa;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E48BC01F-0678-473A-8B80-5F0C54A1A6CB
16
fa olona afaka hianareo, nefa aza mitondra ny fahafahanareo ho fanaronana ny ratsy, fa ho toy ny mpanompon'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9628227F-17C7-46C9-AE39-330B5C5FD718
17
Manajà ny olona rehetra. Tiava ny rahalahy. Matahora an'Andriamanitra. Manajà ny mpanjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6E8CEA46-3E22-4086-89C1-AC5E7F4D27ED
18
Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo amin'ny fahatahorana rehetra, tsy ny tsara sy ny malemy fanahy ihany, fa ny saro-po koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4AE4139-55C8-4603-830D-33924C69DC48
19
Fa izao no ankasitrahana: raha misy olona mitondra alahelo ka mandefitra ny tsy marina noho ny fieritreretana ny amin'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E03E7E78-2922-4B23-9B8D-ABF8CD689C92
20
Fa inona no laza, raha tàhiny kapohina noho ny fahadisoana hianareo ka mandefitra amin'izany? Fa raha tàhiny manao soa kosa hianareo ka mitondra fahoriana sy mandefitra, dia izany no sitrak'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FAA87CD1-C356-4212-BEC5-6DA338FA8F3D
21
Fa ho amin'izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F82C33D1-52DD-44FC-87FD-D364A6398D3B
22
Izay tsy nanota akory, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany (Isa. 53. 9);
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|08C5DBD9-60BE-4DDF-A15F-5EEEBD307D55
23
raha notevatevaina Izy, dia tsy mba nanevateva; raha nijaly, dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny adiny ho amin'ny Mpitsara marina;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|03F27F77-9A7D-45E8-8871-07441919F020
24
ary Izy nitondra ny fahotantsika (Isa. 53. 12) tamin'ny tenany teo ambonin'ny hazo, mba ho faty ny amin'ny ota isika, fa ho velona ny amin'ny fahamarinana; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo (Isa. 53. 5).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ABF19E7F-C295-4292-81DD-06570AF78E5C
25
Fa efa nania toy ny ondry hianareo (Isa. 53. 6), nefa ankehitriny dia efa niverina ho amin'ny Mpiandry sy Mpitandrina ny fanahinareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8803C5D3-251E-4012-A8D0-2B3BF1B07256
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany