Andininy
Protestanta Malagasy
18
Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo amin'ny fahatahorana rehetra, tsy ny tsara sy ny malemy fanahy ihany, fa ny saro-po koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4AE4139-55C8-4603-830D-33924C69DC48
19
Fa izao no ankasitrahana: raha misy olona mitondra alahelo ka mandefitra ny tsy marina noho ny fieritreretana ny amin'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E03E7E78-2922-4B23-9B8D-ABF8CD689C92
20
Fa inona no laza, raha tàhiny kapohina noho ny fahadisoana hianareo ka mandefitra amin'izany? Fa raha tàhiny manao soa kosa hianareo ka mitondra fahoriana sy mandefitra, dia izany no sitrak'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FAA87CD1-C356-4212-BEC5-6DA338FA8F3D
21
Fa ho amin'izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F82C33D1-52DD-44FC-87FD-D364A6398D3B
22
Izay tsy nanota akory, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany (Isa. 53. 9);
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|08C5DBD9-60BE-4DDF-A15F-5EEEBD307D55
23
raha notevatevaina Izy, dia tsy mba nanevateva; raha nijaly, dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny adiny ho amin'ny Mpitsara marina;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|03F27F77-9A7D-45E8-8871-07441919F020
24
ary Izy nitondra ny fahotantsika (Isa. 53. 12) tamin'ny tenany teo ambonin'ny hazo, mba ho faty ny amin'ny ota isika, fa ho velona ny amin'ny fahamarinana; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo (Isa. 53. 5).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ABF19E7F-C295-4292-81DD-06570AF78E5C
25
Fa efa nania toy ny ondry hianareo (Isa. 53. 6), nefa ankehitriny dia efa niverina ho amin'ny Mpiandry sy Mpitandrina ny fanahinareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8803C5D3-251E-4012-A8D0-2B3BF1B07256
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany