Andininy Protestanta Malagasy 1 Ary toy izany koa, hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, mba ho voataonan'ny fitondrantenan'ny vavy izy, na dia tsy amin'ny teny aza (raha tàhiny misy tsy manaiky ny teny), qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|776D885E-58A1-4C0E-8508-51E3AA728B9D 2 rehefa hitany ny fahadiovan'ny fitondrantenanareo amin'ny fahatahorana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1BF40C6F-3CEB-49CD-9FB5-5EF7D8A62299 3 Ary aoka ny firavahanareo tsy ho zavatra eny ivelany, toy ny firandranam-bolo sy ny firava-bolamena na ny fiakanjoana; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C6CE50E-E4B3-44D5-ABE1-982C2D82BCE1 4 fa aoka ho toetra miafina ao am-po, izay tsy mety ho lo, dia ny fanahy malemy sady miadana, izay soa indrindra eo imason'Andriamanitra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA3A5462-8A4D-45A1-8F64-ED256A70E6E5 5 Fa tahaka izany no niravahan'ny vehivavy masina fahiny, izay nanantena an'Andriamanitra sady nanaiky ny vadiny; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CFAB68DF-09F0-441A-A61E-9E5A2989E261 6 dia tahaka an'i Saraha, izay nanaiky an'i Abrahama ka nanao azy hoe 'tompoko'; dia zanany hianareo, raha mba manao soa ka tsy matahotra izay fampitahorana na inona na inona. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|144DEF74-BEE8-472A-B05A-4E0EA267609F 7 Ary toy izany koa, hianareo lehilahy, miaraha mitoetra aminy araka ny marina, manaja ny vavy, tahaka ny mety hatao amin'ny fanaka malemilemy kokoa sady mpiara-mandova ny fahasoavan'ny fiainana, mba tsy ho voasakana ny fivavahanareo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7B3FD2EF-D072-4AF1-9CF1-AEDB949E5513 8 Farany, miraisa saina hianareo rehetra, ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84CBD5D2-413F-46F1-8FE9-EF3FA99D7FFD 9 tsy mamaly ratsy ny ratsy, na fanaratsiana ny fanaratsiana; fa aoka hisaotra kosa, satria ho amin'izany no niantsoana anareo mba handova fitahiana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B3A1B216-6FB7-421A-8B49-D184611DA51F 11 Ary aoka izy hiala amin'ny ratsy ka hanao soa; aoka izy hitady fihavanana sy hanaraka azy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8F15A73-5D81-4D62-87AE-49717FA585F4 12 Fa ny mason'ny Tompo dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany; fa ny tavan'ny Tompo dia tezitra amin'ny mpanao ratsy" (Sal. 34. 12-16). qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B077CDEE-B7A2-47FD-8F83-8830CC6AEFD8 13 Ary iza no hanisy ratsy anareo, raha mazoto amin'izay tsara hianareo? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B5A81A9-A263-49B9-83A6-0C5ABB1877DA 14 Fa raha tàhiny mitondra fahoriana noho ny fahamarinana hianareo, dia sambatra; ary aza matahotra tahaka azy, ary aza mangorohoro hianareo; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|27C1EFE1-6B18-46FD-9203-ABEE74FA9228 15 fa manamasina an'i Kristy ho Tompo ao am-ponareo (Isa. 8. 12, 13); ary aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly izay manontany anareo ny amin'ny anton'ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin'ny fahalemem-panahy sy ny fanajana, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C4A13C4F-48F0-47E6-8A8E-390E2184EA07 16 ka manàna fieritreretana tsara, mba ho menatra izay manaratsy ny fitondrantenanareo tsara ao amin'i Kristy, dia izay anendrikendrehana anareo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92B0A1B9-9485-40DA-BC4C-6A01378E7919 17 Fa raha sitrapon'Andriamanitra, dia tsaratsara kokoa ny hitondra fahoriana amin'ny fanaovan-tsoa noho ny amin'ny fanaovan-dratsy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0C349CC-0A9E-47F4-A89C-69BC8EC4A07C 18 Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin'Andriamanitra, ka novonoina tamin'ny nofo, fa novelomina tamin'ny fanahy, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC2547B8-AB2D-41FC-AC7B-778AD37503EE 19 izay nandehanany sy nitoriany teny tamin'ireo fanahy tao an-trano-maizna, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|13FF861C-B776-4E2A-BA66-DA2EAD83D792 20 dia izay tsy nanaiky fahiny, fony niandry ny fahari-pon'Andriamanitra tamin'ny andron'i Noa, raha mbola namboarina ny sambo-fiara, izay nidiran'ny olona vitsy, dia izy valo mianaka, ka dia namonjena azy ny rano. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8CED1414-88C3-4397-ADD7-F5D6ED99EF1C 21 izay mamonjy anareo koa ankehitriny, dia ny batisa, izay tenan'io tandindona io, tsy ny fanesorana ny fahalotoan'ny nofo anefa, fa ny fitadiavana ny fieritreretana tsara eo anatrehan'Andriamanitra amin'ny nitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A5673658-95CA-4B31-8739-AA062BFEFD60 22 Izay eo amin'ny tànana ankavanan'Andriamanitra; fa efa lasa ho any an-danitra Izy ka efa nampanekena Azy ny anjely sy ny fahefana ary ny hery. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|33549E7A-8DF4-442C-8B00-BF7A36049B57
|