Andininy
Protestanta Malagasy
1
Koa satria niaritra tamin'ny nofo Kristy, dia alao mba ho fiadianareo koa izany saina izany; fa izay niaritra tamin'ny nofo dia efa afaka amin'ny ota;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D19623A4-12F1-4CF9-AD33-30761FF8D9F0
2
mba tsy handanianareo ny andro sisa iainanareo amin'ny nofo araka ny filan'ny olona intsony, fa araka ny sitrapon'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|77AF8A9D-95E8-452C-A824-71A81E52528A
3
Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon'ny jentilisa tamin'ny nandehanana tamin'ny fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny fisotroan-taoka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C3D1280-6C6B-418F-9B13-294D8C1B9EB7
4
ary amin'izany dia gaga izy ireo, satria tsy miara-mihazakazaka aminy hianareo amin'izany fanaranam-po amin'ny ratsy izany, ka dia teneniny ratsy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8EDAB329-A222-463E-A785-C4891E92D6E6
5
nefa hampamoahin'Ilay efa vonona hitsara ny velona sy ny maty izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6EE8EA84-96E6-4465-8437-27F4B5633ADC
6
Fa noho izao no nitoriana ny filazantsara tamin'izay maty aza: mba ho tsaraina araka ny olona amin'ny nofo izy, fa ho velona araka an'Andriamanitra amin'ny fanahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD252E02-720E-429D-9CB2-60F9CAC97645
7
Fa antomotra ny faran'ny zavatra rehetra; koa hendre ka mahonona tena ho amin'ny fivavahana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02BA7CA7-0541-4392-83E7-6D84CDC558CA
8
Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara; fa ny fitiavana manarona fahotana maro (Oha. 10 .12).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4C50784-52A7-46BB-84BE-93E17A05C682
9
Mifampiantranoa, ka aza mimonomonona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AC4E77C3-B06A-4F16-BD01-2FCFEBE01837
10
Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, dia tahaka ny mpitandrina tsara ny fahasoavana maro samy hafa izay an'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A91FC09C-1947-4310-9D85-B7B3A1BCAC4E
11
Raha misy olona miteny, dia aoka izy hiteny toy ny milaza tenin'Andriamanitra; raha misy olona manompo, dia aoka izy hanao izany araka ny hery izay omen'Andriamanitra azy; mba hankalazana an'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy; fa Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|26A5B516-8860-4023-989C-3CB56F947D89
12
Ry malala, aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo ho fitsapan-toetra, ary aza atao ho zavatra mahagaga manjo anareo izany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DDC40D14-CA05-4808-B03C-7D033AE16F04
13
fa araka ny iombonanareo fijaliana amin'i Kristy dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin'ny fisehoan'ny voninahiny koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE1979DD-9B71-4CB0-9534-1D4F3011BFED
14
Sambatra hianareo, raha haratsiana noho ny anaran'i Kristy; fa ny Fanahin'ny voninahitra, dia ny Fanahin'Andriamanitra, mipetraka ao aminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C9BE6FD-29B8-42E0-8F9D-6EE7FA378008
15
Fa aoka tsy hisy eo aminareo hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpiraharaha ny an'olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|169368F9-AA7B-4207-9D1E-B8F89E4A7DFD
16
Fa raha misy mijaly satria Kristiana, dia aoka tsy ho menatra izy; fa aoka hankalaza an'Andriamanitra amin'izany anarana izany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F4C0CFF-1EAF-4376-8EF8-6D94831E1365
17
Fa tonga ny andro hiantombohan'ny fitsarana hatrao amin'ny ankohonan'Andriamanitra; ary raha miantomboka amintsika izany, dia hanao ahoana kosa no hiafaran'izay tsy manaiky ny filazantsaran'Andriamanitra?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A1A2034-E761-4F2B-ACB4-7211F8960F7F
18
Ary raha saiky tsy voavonjy ny marina, aiza no hisehoan'ny ratsy fanahy sy ny mpanota? (Oha. 11. 31).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1617EBCF-D132-4B94-87B9-171E9D1933BF
19
Koa izay mitondra fahoriana araka ny sitrapon'Andriamanitra, dia aoka ny fanaovan-tsoa no hanolorany ny fanahiny ho an'Ilay mahatoky, dia ny Mpanao azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD310CF7-63C6-4F21-A023-C769A6F3B2D8
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany