Andininy Protestanta Malagasy 12 Ry malala, aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo ho fitsapan-toetra, ary aza atao ho zavatra mahagaga manjo anareo izany; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DDC40D14-CA05-4808-B03C-7D033AE16F04 13 fa araka ny iombonanareo fijaliana amin'i Kristy dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin'ny fisehoan'ny voninahiny koa. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE1979DD-9B71-4CB0-9534-1D4F3011BFED 14 Sambatra hianareo, raha haratsiana noho ny anaran'i Kristy; fa ny Fanahin'ny voninahitra, dia ny Fanahin'Andriamanitra, mipetraka ao aminareo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C9BE6FD-29B8-42E0-8F9D-6EE7FA378008 15 Fa aoka tsy hisy eo aminareo hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpiraharaha ny an'olona. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|169368F9-AA7B-4207-9D1E-B8F89E4A7DFD 16 Fa raha misy mijaly satria Kristiana, dia aoka tsy ho menatra izy; fa aoka hankalaza an'Andriamanitra amin'izany anarana izany izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F4C0CFF-1EAF-4376-8EF8-6D94831E1365 17 Fa tonga ny andro hiantombohan'ny fitsarana hatrao amin'ny ankohonan'Andriamanitra; ary raha miantomboka amintsika izany, dia hanao ahoana kosa no hiafaran'izay tsy manaiky ny filazantsaran'Andriamanitra? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A1A2034-E761-4F2B-ACB4-7211F8960F7F 18 Ary raha saiky tsy voavonjy ny marina, aiza no hisehoan'ny ratsy fanahy sy ny mpanota? (Oha. 11. 31). qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1617EBCF-D132-4B94-87B9-171E9D1933BF 19 Koa izay mitondra fahoriana araka ny sitrapon'Andriamanitra, dia aoka ny fanaovan-tsoa no hanolorany ny fanahiny ho an'Ilay mahatoky, dia ny Mpanao azy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD310CF7-63C6-4F21-A023-C769A6F3B2D8
|