IJaona 1: 1-10

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Izay hatramin'ny voalohany, dia izay efa renay, izay efa hitan'ny masonay, izay efa nojerenay sady efa notsapain'ny tananay, dia ny amin'ny Teny Fiainana
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|416E507D-BBF9-4B5B-BFE5-6726FF0AEBFE
2
(fa efa naseho ny fiainana, ary efa nahita azy izahay, dia tonga vavolombelona ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay, izay tao amin'ny Ray ka efa naseho taminay),-
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B85CDE53-ED73-46EB-8BD5-0A61AC9058FF
3
izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo, mba hahazoanareo firaisana aminay koa; ary ny firaisanay dia amin'ny Ray sy amin'i Jesosy Kristy Zanany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4FEC51E3-15E2-4A45-A18A-4DB2F0C9D743
4
Ary izao zavatra izao no soratanay, mba ho tanteraka ny fifaliantsika. [fifalianareo]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B2593448-A7FC-48A5-A3D6-6B1D6CF4956E
5
Ary izao ny teny renay taminy ka ambaranay aminareo: Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy maizina akory ao aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6EFDC59D-E7E4-42DF-BC29-5B12CD0DEFA1
6
Raha hoy isika: Manana firaisana aminy isika, kanefa mandeha amin'ny maizina, dia mandainga isika ka tsy manao ny marina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D70E3344-53A7-4483-8E79-2342FCD964FC
7
Fa raha mandeha eo amin'ny mazava isika, tahaka Azy eo amin'ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran'i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin'ny ota rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C874F589-5D9B-4923-BD10-ED73828DA807
8
Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6926251B-32F3-4F8F-9634-EF2C2E88C8A4
9
Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD2250C1-B2F2-4BDE-936F-675DD62B729B
10
Raha hoy isika: Tsy nanota isika, dia mampandainga Azy, ary ny teniny tsy ato anatintsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A61B9F3-EA04-4A5B-AB27-68DCA6B5E3BE
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany