Andininy
Protestanta Malagasy
1
Anaka, izany zavatra izany no soratako aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin'ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B0D0AFD-365D-476D-8991-77736077FC00
2
ary Izy no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an'izao tontolo izao koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|640DD6E9-C877-44C7-93E9-BFCD20977C28
3
Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia ny fitandremana ny didiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|41BDF997-C23A-4811-BB9A-DBB2DC6932D3
4
Izay manao hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C059A29-2E21-40EC-B682-C7F5ED997F1F
5
Fa na iza na iza mitandrina ny teniny, dia tanteraka ao aminy marina tokoa ny fitiavana an'Andriamanitra; izany no ahafantarantsika fa ao aminy isika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0497A931-BB69-4E76-8BAF-EB639A15FC49
6
Izay milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|81340659-B2CD-4E98-8925-2AE692A3812F
7
Ry malala, tsy didy vaovao no soratako aminareo, fa didy ela, izay nanananareo hatramin'ny voalohany. Ny didy ela dia ilay teny efa renareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB439F5F-9EC9-4FFC-A400-6C281B2F127A
8
Ary koa, didy vaovao ny soratako aminareo, dia zavatra marina eo aminy sy eo aminareo, satria miala ny maizina, ary ny mazava marina no mahazava ankehitriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|14A3D02D-D25D-4C21-B479-1D06CAB26A29
9
Izay milaza fa ao amin'ny mazava izy, kanefa mankahala ny rahalahiny, dia mbola ao amin'ny maizina ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B34CFFEA-7650-4707-9269-FD4F41217FCC
10
Izay tia ny rahalahiny no mitoetra ao amin'ny mazava, ka tsy misy fahatafintohinana ao aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|946EF778-3A68-4E98-A045-22C3A13E6FB6
11
Fa izay mankahala ny rahalahiny dia ao amin'ny maizina ary mandeha ao amin'ny maizina ka tsy mahalala izay alehany, satria ny maizina no efa nahajamba ny masony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|75C471B2-C7B3-4817-9381-45A1750E7FF5
12
Manoratra aminareo zanaka aho, satria voavela ny helokareo noho ny anarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17CA3E4F-B0DB-459E-941D-36E566CFAE20
13
Manoratra aminareo ray aho, satria efa mahalala Ilay hatramin'ny voalohany hianareo. Manoratra aminareo zatovo aho, satria afa naharesy ilay ratsy hianareo. Nanoratra taminareo ankizy madinika aho, satria efa mahalala ny Ray hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|48BC7E62-A1DE-49EA-8492-5C3138068876
14
Nanoratra taminareo ray aho satria efa nahalala Ilay hatramin'ny voalohany hianareo. Nanoratra taminareo zatovo aho, satria mahery hianareo, ary mitoetra ao anatinareo ny tenin'Andriamanitra, sady efa naharesy ilay ratsy hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8684981C-4859-4741-9C5F-18AD7456EC27
15
Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin'izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E64E606A-44F4-42DC-A76E-56978B97FE66
16
Fa ny zavatra rehetra eo amin'izao tontolo izao, dia ny filan'ny nofo sy ny filan'ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin'ny Ray, fa avy amin'izao tontolo izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A00190C2-1A82-41B4-992C-0D046287728F
17
Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon'Andriamanitra no maharitra mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F7FF96A8-28DE-4072-B80A-EC9F3CAA5B56
18
Rankizy, izao no ora farany, ary tahaka ny efa renareo fa ho avy ny antikristy, sady maro no antikristy efa tonga sahady; koa izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7319F45E-CB37-4178-8D30-825727AC941B
19
Avy tamintsika ihany no niala ireo, nefa tsy mba namantsika izy; fa raha tahiny namantsika izy, dia ho nitoetra mba haseho fa tsy isantsika izy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA791072-F8DE-411D-BFB0-76AB2D015B73
20
Fa hianareo kosa manana hosotra avy amin'Ilay Masina ka mahalala ny zavatra rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C4A4CAAC-D94C-4311-8573-9B04F103FFA7
21
Tsy noho ny ahafantaranareo ny marina no nanoratako taminareo, fa noho ny ahafantaranareo izany sy noho ny tsi-fisiana lainga avy amin'ny marina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A3AA5EC-CD55-4E1E-A3F8-2CD893148FEC
22
Iza no mpandainga, afa-tsy ilay mandà an'i Jesosy tsy ho Kristy? Izy no antikristy, dia izay mandà ny Ray sy ny Zanaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E9480AC-0D3C-4D99-AE0F-A00A8A987B1F
23
Izay rehetra mandà ny Zanaka no tsy manana ny Ray koa; Izay manaiky ny Zanaka no manana ny Ray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|54B65314-B37B-4BC1-8DB0-EA1A2CCF4B6D
24
Ary ny aminareo, dia izay efa renareo hatramin'ny voalohany no aoka hitoetra ao anatinareo. Raha mitoetra ao anatinareo izay efa renareo hatramin'ny voalohany, dia hitoetra ao amin'ny Zanaka sy ny Ray kosa hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|059D37A9-9F22-4D8F-BB2C-8360DE1581EE
25
Ary izao no teny fikasana izay nataony tamintsika, dia ny fiainana mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A42D647A-921B-4065-B3AA-4BCEC1E5EA38
26
Izany zavatra izany no voasoratro taminareo ny amin'ny mamitaka anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|21AD90D4-A6A5-4DF6-A4BC-B8B1B4D0DB31
27
Ary ny aminareo, dia ilay hosotra noraisinareo taminy no mitoetra ao aminareo, ka tsy mila hampianarin'olona hianareo; fa satria ny hosotra avy aminy no mampianatra anareo ny zavatra rehetra, sady marina fa tsy lainga izany, dia tomoera ao aminy hianareo, araka ny nampianarany anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62000FEF-58B9-48FD-B040-A9A2C116A520
28
Ary ankehitriny, anaka, tomoera ao aminy, mba hananantsika fahasahiana, raha hiseho Izy, ka tsy ho menatra eo anatrehany amin'ny fihaviany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|301524CA-E1A2-40DE-ADA3-19D3A784C6D9
29
Raha fantatrareo fa marina Izy, dia fantaro fa izay rehetra manao ny marina no zanany naterany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D1BCC7CF-F0F5-4DF1-9897-2D41C6889EEE
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany