Andininy
Protestanta Malagasy
1
Endrey! manao ahoana ny fitiavana nasehon'ny[Gr. nomen'] Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak'Andriamanitra, sady izany tokoa isika! Koa noho izany dia tsy mahalala antsika izao tontolo izao, satria tsy nahalala Azy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8243DE78-1540-4663-B182-D0066FAD6677
2
Ry malala, ankehitriny aza dia zanak'Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|49BF9453-746F-4E85-AD76-6EA42F57FFCD
3
Ary izay rehetra manana izany fanantenana miorina aminy izany dia manadio ny tenany mba hadio tahaka Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A83AB81D-AE12-4933-AA3E-2EFD32BE3E19
4
Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9585A59A-9BCE-4040-884E-C9E8A19F0C4A
5
Ary fantatrareo fa Izy no naseho hanaisotra [hitondra] ny ota; ary tsy mba misy ota ao aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|319D7D1F-AD38-430C-B482-5A9AC129EE4E
6
izay rehetra mitoetra ao aminy dia tsy manota; izay rehetra manota dia tsy nahita na nahalala Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3BBC5BC-C444-41E5-A194-F817507304E9
7
Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo: izay manao ny marina no marina; eny, marina tahaka Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|26F32A40-B606-4575-8614-B042B9D755B9
8
Izay manota dia avy amin'ny devoly, satria ny devoly manota hatramin'ny voalohany. Izao no nisehoan'ny Zanak'Andriamanitra, dia ny handrava ny asan'ny devoly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ADAA67AB-47C5-49B4-920B-B4095A720DA2
9
Izay rehetra naterak'Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy, satria naterak'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A731D96-6AC0-4BB3-B0CB-2790CA7ABB90
10
Izany no mampiseho miharihary izay Zanak'Andriamanitra izy izay zanaky ny devoly. Tsy mba avy amin'Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny marina sy izay tsy tia ny rahalahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|67486265-A8B1-444D-B2E4-B15EC066CAF7
11
Fa izao no teny nampitondraina izay efa renareo hatramin'ny voalohany: tsy maintsy mifankatia isika,-
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3AD25A17-7E71-4A58-A55C-181BC8DB07AE
12
tsy mba tahaka an'i Kaina, izay avy tamin'ilay ratsy ka namono ny rahalahiny. Ary nahoana no namono azy izy? Satria ratsy ny asany, fa marina ny an'ny rahalahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0C90AC6-2FC0-418F-990E-28B880CA1B35
13
Aza gaga, ry rahalahy, raha halan'izao tontolo izao hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62B598B9-F509-4B80-8A18-8514DB94237B
14
Fantatsika fa efa tafafindra niala tamin'ny fahafatesana ho amin'ny fiainana isika, satria tia ny rahalahy. Izay tsy tia dia mitoetra ao amin'ny fahafatesana ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55A9FEC0-12F5-4F03-AD29-0F6B129C1BB3
15
Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona; ary fantatrareo fa tsy mba misy mpamono olona manana fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39F4D0B8-9260-472C-AAA6-4F34052CE378
16
Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DFCA55F6-A052-416A-B806-A8CE7122F1FC
17
Ary izay rehetra manam-pananana amin'izao fiainana izao, ary mahita ny fahantran'ny rahalahiny ka mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran'ny fitiavana an'Andriamanitra ao anatiny?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B3477A86-F8A1-46F5-9142-85701F1C2773
18
Anaka, aoka tsy ho tia amin'ny teny na amin'ny lela isika, fa amin'ny asa sy amin'ny marina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E818E95E-8210-46BA-8249-75BC096A83F2
19
Izany no hahafantarantsika fa avy amin'ny marina isika sy hampahatokoantsika ny fontsika eo anatrehany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|60F17852-7747-48FE-BDB7-29108BEA2550
20
na amin'inona na amin'inona no anamelohan'ny fontsika antsika, satria Andriamanitra lehibe noho ny fontsika ka mahalala ny zavatra rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|00FBFD4B-6F79-4C32-9C62-17926F68CD5F
21
Ry malala, raha tsy mba manameloka antsika ny fontsika, dia manana fahasahiana eo anatrehan'Andriamanitra isika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|228C17DD-0367-4DB9-9F08-801B82D5654C
22
Ary na inona na inona no angatahintsika dia raisintsika aminy, satria mitandrina ny didiny sy manao izay ankasitrahana eo imasony isika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B75D66D-D361-4E3B-803D-C22AF4AAF656
23
Ary izao no didiny, dia ny hinoantsika ny anaran'i Jesosy Kristy Zanany sy ny hifankatiavantsika araka ny didy nomeny antsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8BBF9379-B0A9-487F-AE84-AD1B25C75EC0
24
Ary izay mitandrina ny didiny no mitoetra ao aminy, ary Izy kosa ao aminy. Ary izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika Izy, dia ny Fanahy Izay nomeny antsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F41F525-9AED-40B8-907D-31C38F35A3F6
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany