Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin'Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58016765-153A-488D-B90B-7C831A209826
2
Izao no ahafantaranareo ny Fanahin'Andriamanitra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy no avy amin'Andriamantira;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|946AEA06-B41E-4DF4-9DCE-024EA5AC87F1
3
ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an'i Jesosy dia tsy mba avy amin'Andriamanitra; ary izany no fanahin'ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy sady efa eo amin'izao tontolo izao sahady izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F8887B2F-6770-4E0F-8981-90F62D3CE920
4
Anaka, hianareo dia avy amin'Andriamanitra ary efa naharesy ireny, satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin'izao tontolo izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B79FFDD-A0D8-4A08-80A6-4D3E72BEBB65
5
Isan'izao tontolo izao ireny, ka dia miteny araka ny an'izao tontolo izao izy, ary mihaino azy izao tontolo izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B56CEAC4-D687-4675-BD01-B686B93AD5E7
6
Avy amin'Andriamanitra izahay; izay mahalala an'Andraimanitra no mihaino anay; izay tsy avy amin'Andriamanitra tsy mba mihaino anay. Izany no ahafantarantsika ny fanahin'ny fahamarinana sy ny fanahin'ny fampiviliana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7713E412-0BE9-498C-BCCB-E2580DEBE227
7
Ry malala, aoka hifankatia isika; fa avy amin'Andriamanitra ny fitiavana, ary izay rehetra tia no naterak'Andriamanitra sady mahalala an'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|879A9727-83FE-461A-9491-70AD29E855D2
8
Izay tia tsy mba mahalala an'Andriamanitra; fa Andriamanitra dia fitiavana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D49C1E5-CE91-4A51-A467-9C09ECC88784
9
Izao no nanehoana ny fitiavan'Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy Tokana tamin'izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin'ny alalany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0C38213-2B9B-419E-A4C8-E50A682CB4D4
10
Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an'Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E4911B1C-4E62-4473-8E16-F94382A40785
11
Ry malala, raha izany no nitiavan'Andriamanitra antsika, dia mba tokony hifankatia kosa isika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F2214E44-42DA-442E-8026-D2FDB6CAA6A7
12
Tsy mbola nisy olona nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana. Raha mifankatia isika, dia mitoetra ato amintsika Andriamanitra, ary tanteraka ato amintsika ny fitiavany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79F3181E-F3B7-466E-916F-E4BE8D2D5426
13
Izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika, ary Izy ato amintsika, dia ny nanomezany antsika ny Fanahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|772EEF19-2E22-45D6-B6CF-EAE3D3BA4C2F
14
Ary izahay efa nahita ka manambara fa ny Ray efa naniraka ny Zanaka ho Mpamonjy izao tontolo izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|41FE38D9-0170-41C8-A399-974CB9FBA807
15
Na iza na iza manaiky fa Zanak'Andriamanitra Jesosy, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy kosa ao amin'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ACE3597C-60D6-4C6B-A98D-D4AABD83FAD7
16
Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan'Andriamanitra antsika, Andriamanitra dia fitiavana; ary izay mitoetra amin'ny fitiavana no mitoetra ao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|03758EC3-8AB4-48D9-8E5F-B2E690F8E790
17
Izany no ahatanterahana ny fitiavana amintsika, mba hananantsika fahasahiana amin'ny andro fitsarana; fa tahaka Azy isika eo amin'izao tontolo izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB62ED94-A08E-4319-A923-7C6765DF0D9B
18
Tsy manan-tahotra ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra; fa mampahory ny tahotra. Fa izay matahotra dia tsy mbola tanteraka amin'ny fitiavana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|36165859-60FB-4BB6-AF89-98551C6BA396
19
Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D17167F3-5F23-49B7-BCDD-F6ADD0FE0383
20
Raha misy manao hoe: Tia an'Andriamanitra aho, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy; fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, hataony ahoana no fitia an'Andriamanitra Izay tsy hitany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1B42C35B-D94A-4FD8-83AE-DDA7362405B2
21
Ary izao no didy efa azontsika taminy: Izay tia an'Andriamantra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E601150-F61F-440D-ABFB-3AB6D8AAF3C5
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany