IJaona 5: 1-21

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Izay rehetra mino fa Jesosy no Kristy dia naterak'Andriamanitra; ary izay rehetra tia Izay niteraka dia tia izay naterany koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|23774CD4-2920-470A-B3BD-CC7DF0AC062A
2
Izao no ahafantarantsika fa tia ireo zanak'Andriamanitra isika, dia ny itiavantsika an'Andriamanitra sy ny ankatoavantsika ny didiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F40FA130-68F5-4A8B-8262-41BBC16DC975
3
Fa izao no fitiavana an'Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|777FEC6C-C798-4E6F-A1FD-5C39D01C8CAF
4
Fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D6C9596B-F776-4628-A00A-801234869FAD
5
Iza moa no maharesy izao tontolo afa-tsy izay mino fa Jesosy no Zanak'Andriamanitra?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED172F5A-C3AA-4214-A7D5-E1A661CBA03A
6
Izy ilay avy tamin'ny rano sy ny ra, dia Jesosy Kristy; tsy tamin'ny rano ihany, fa tamin'ny rano sy ny ra. Ary ny Fanahy no manambara, satria ny Fanahy no fahamarinana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A59F4B5-C94A-4505-831D-ED10003AFD44
7
Fa misy telo izay manambara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|506CEA03-9A2D-4CEB-8314-E046B2560501
8
dia ny Fanahy sy ny rano ary ny ra; ary mifanaraka tsara izy telo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|31A0CAAB-46F9-405C-80E2-62E725E0DE7B
9
Raha mandray ny fanambaran'ny olona isika, lehibe lavitra ny fanambaran'Andriamanitra; fa ny fanambaran'Andriamanitra dia ny nanambarany ny Zanany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|128B9892-6746-4184-8D31-87F5B19600A5
10
Izay mino ny Zanak'Andriamanitra no manana ny fanambarana ao anatiny; izay tsy mino an'Andriamanitra dia efa nampandainga Azy, satria tsy mino ny fanambarana izay nanambaran'Andriamanitra ny Zanany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E908A25F-BFB7-429A-8D6E-135DC07E55DB
11
Ary izao ny fanambarany: Fiainana mandrakizay no omen'Andriamantira antsika, ary ao amin'ny Zanany izany fiainana izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A722107-9B14-4B47-8F59-492D3848259C
12
Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana; izay tsy manana ny Zanak'Andriamanitra no tsy manana ny fiainana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|21244E2F-98B0-4619-AE37-704C9A398008
13
Izany no nosoratako aminareo, izay mino ny anaran'ny Zanak'Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A9E7A2F-A74E-45B2-8679-8E3EE833AF8C
14
Ary izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany: Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0A96ABB-0EA7-44F9-A953-E8A8817D37C7
15
ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, na inona na inona no angatahintsika, dia fantatsika fa azontsika izay angatahintsika aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A06FDE4-DD32-4925-A1EC-C4F1D69DD48E
16
Raha misy mahita ny rahalahiny manao ota tsy mahafaty, dia aoka hifona ho azy izy, ary Andriamanitra no hanome azy fiainana ho an'izay manao ota tsy mahafaty [Gr. ota tsy ho amin'ny fahafatesana]. Misy ota mahafaty; tsy mba lazaiko fa tokony hangataka ny amin'izany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7492B6DF-91CE-4CD7-90D6-87F6022585FA
17
Ota avokoa ny tsi-fahamarinana rehetra; ary misy ota tsy mahafaty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|489C3023-C983-4776-9881-1327448409D5
18
Fantatsika fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia tsy manota; fa izay naterak'Andriamanitra dia miaro ny tenany [Na: Ilay naterak'Andriamanitra no miaro azy.], ka tsy mikasika azy akory ilay ratsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E579348B-923E-47C1-89DD-EDB3C48F9AF4
19
Fantatsika fa avy amin'Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin'ilay ratsy avokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E7002F10-0A19-4232-9891-998C272F026A
20
Ary fantatsika fa tonga ny Zanak'Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika Ilay marina, dia ao amin'i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E72DCE4E-42AF-4A35-8B02-EBB9D042CEC8
21
Anaka, arovy ny tenanareo amin'ny sampy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2DE10296-C4FB-4BB5-B7CD-C746B02C1FFF
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany