Andininy Protestanta Malagasy 14 Ary izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany: Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy; 15 ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, na inona na inona no angatahintsika, dia fantatsika fa azontsika izay angatahintsika aminy. 16 Raha misy mahita ny rahalahiny manao ota tsy mahafaty, dia aoka hifona ho azy izy, ary Andriamanitra no hanome azy fiainana ho an'izay manao ota tsy mahafaty [Gr. ota tsy ho amin'ny fahafatesana]. Misy ota mahafaty; tsy mba lazaiko fa tokony hangataka ny amin'izany izy.
|