IIIJaona 1: 1-14

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Izaho loholona[Gr. Ny presbytera] manangy an'i Gaio, ilay malala, izay tiako amin'ny fahamarinana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|67130EFC-0942-450D-8589-1FBD4380BC1E
2
Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin'ny zavatra rehetra anie hianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D4DD0439-336E-40D0-B6FD-48850E2DA762
3
Fa faly indrindra aho, fony nisy rahalahy tonga ka nanambara ny fahamarinanao, dia toy ny andehananao araka ny fahamarinana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD67BD29-86D6-4F0F-8E0A-901EB39B802B
4
Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5CAD9DCE-056A-4D5B-AE41-84CACF765796
5
Ry malala, manao asa mahatoky hianao na amin'inona na amin'inona ataona amin'ireo rahalahy ireo, na dia vahiny aza izy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9FEEDD11-B102-4474-B25B-9223FD9A869B
6
izay nanambara ny fitiavanao teo anatrehan'ny fiangonana[eklesia]; dia ho soa no ataonao, raha mamoaka azy koa araka izay miendrika hatao noho ny amin'Andriamanitra hianao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|739DCA5D-293E-457F-B2EB-3371DE7E41DD
7
fa noho ny Anarana no niaingany, ka tsy naka na inona na inona tamin'ny jentilisa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66DC8CDE-A7A8-48A0-A234-3405AFBD4154
8
Koa isika dia tokony handray tsara izay toy izany, mba ho mpiara-miasa amin'ny fahamarinana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1CD660C-9CD6-4CDF-8731-8C948AE96E92
9
Nanoratra tamin'ny fiangonana ihany aho; nefa Diotrefa, izay te-ho lohany, dia tsy mba mandray anay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E8987462-E38C-4004-ABF3-E362281F5A77
10
Koa amin'izany, raha tonga aho, dia hotsarovako izay asa ataony, fa mibedibedy foana manaratsy anay izy; ary tsy afa-po amin'izany ihany, fa ny tenany dia tsy mandray ireo rahalahy ireo, ary izay ta-handray azy dia rarany sy roahiny hiala amin'ny fiangonana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2A82BF8B-BB70-4992-A56F-D7B4011660C8
11
Ry malala, aza ny ratsy no alain-tahaka, fa ny tsara. Izay manao ny tsara no avy amin'Andriamanitra; fa izay manao ny ratsy tsy mba nahita an'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4F12EDC1-FEE3-4328-9A38-681963829428
12
Demetrio dia tsara laza amin'ny olona rehetra sy amin'ny fahamarinana koa; ary izahay koa manambara izany, ary fantatrao fa marina ny fanambaranay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A0AD336A-9671-410B-BE19-06D7ECBC5FBF
13
Nanana zavatra maro hosoratana aho, nefa tsy tiako hosoratana aminao amin'ny ranomainty sy ny penina [volotara];
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A52DCB12-89EA-43CC-8CD2-1D519846F484
14
fa manantena hahita anao faingana ihany aho, dia hiteny mifanatrika isika. Ho aminao anie ny fiadanana. Ny sakaiza aty manao veloma anao. Veloma amin'ny sakaiza tsirairay araka ny anarany avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3A398F3-6759-44C0-856E-7427EB704EAF
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany