Joda 1: 1-25

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Joda, mpanompon'i Jesosy Kristy sady rahalahin'i Jakoba, mamangy izay olona voantso, malala ao amin'Andriamanitra Ray sy voatahiry ho an'i Jesosy Kristy:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A77000A9-C858-4A3C-AB08-3AF91853E8F5
2
hampitomboina ho anareo anie ny famindrampo sy ny fiadanana ary ny fitiavana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EAC20ED2-9C9A-41E2-AC1C-848BB84490D5
3
Ry malala, raha manao izay zotom-po rehetra hanoratra aminareo aho hilaza ny amin'ny famonjena iombonantsika, dia nisy nahatery ahy hanoratra aminareo, hananatra mba hiezahanareo mafy hiaro ny finoana izay efa voatolotra indray mandeha monja ho an'ny olona masina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D07428B6-0809-4C4E-B470-12AFB82C7AE5
4
Fa misy olona sasany efa niditra misokosoko, izay voasoratra fahiny ho amin'izany fahamelohana izany, dia olona ratsy fanahy, izay mamadika ny fahasoavan'Andriamanitsika ho fijejojejoana sady mandà ny Andrian-tokana, dia Jesosy Kristy Tompontsika.[Na: mandà ny Andrian-tokana sy Jesosy Kristy Tompontsika.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C00E99E9-0CF0-4F65-9733-B218FAB8E159
5
Ary ta-hampahatsiaro anareo aho na dia efa fantatrareo rahateo aza ny zavatra rehetra, fa rehefa novonjen'ny Tompo ho afaka tany Egypta ny olona, dia naringany ihany tao aorian'izany izay tsy nino.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|225F7C38-CFF3-4C56-BD48-5F8C0F6F76CC
6
Ary ny anjely izay tsy nitana ny anjara-fanapahany, fa nandao ny fonenany, dia voahazony amin'ny fatorana mandrakizay ao amin'ny maizina ho amin'ny andro fitsarana lehibe.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C2101084-3FE9-4B88-8EA9-DA393D051249
7
Ary toy izany koa, Sodoma sy Gomora mbamin'ny tanàna nanodidina azy, izay nijangajanga tahaka azy koa ka lasa nanaraka nofo hafa, dia aseho ho fananarana amin'ny iaretany fijaliana amin'ny afo maharitra mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8848A23F-1558-41C8-B109-A6E751A01A3E
8
Kanefa toy izany koa, ireo dia manonofy ka mandoto ny nofo sady mandà ny manana fahalehibiazana ary miteny ratsy [Gr. manao blasfemia; izahao Mat. ix. 3.] ny manana voninahitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E4FA09B-E007-4CFB-9CB5-5C28F04EA4CB
9
Fa Mikaela arikanjely aza, raha niady tamin'ny devoly ka nifanditra ny amin'ny fatin'i Mosesy, dia tsy sahy niteny ratsy hahameloka azy, fa hoy izy: Hananatra anao anie Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8072ED5B-2F41-4F65-B947-DA89805EC64D
10
Fa ireo kosa dia miteny ratsy izay zavatra rehetra tsy fantany akory; ary izay zavatra fantany fotsiny, tahaka ny fahalalan'ny biby tsy manan-tsaina kosa, no animbany [Na: andotoany] ny tenany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C91392C0-4D01-41D5-8399-054B308F1895
11
Hahita loza izy! fa efa nandeha tamin'ny làlan'i Kaina, sady nimaona fatratra hanaraka ny fahadisoan'i Balama hahazoany tamby, ary efa ringana tamin'ny fiodinan'i Kora izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B07D1D5B-FFE2-4D6C-AA28-E800AEE68AAC
12
Ireo no harambato voasaron-drano [Na: Ireo no pentimpetina.] eo amin'ny fanasam-pifankatiavanareo, raha miara-mihinana aminareo izy, dia mpiandry mamahan-tena, nefa tsy matahotra; rahona tsy misy rano, entin'ny rivotra, ireo; hazo fararano, nefa tsy misy voany, indroa maty, voafongotra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B949E729-84AD-4B24-A16F-BF2F3FADB060
13
onjan-dranomasina mitopatopa mamorivory ny fahamenarany; kintana mifindrafindra, ka voatahiry ho azy mandrakizay ny fahamaintisan'ny maizina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A6B533CA-77EB-4B9F-B16C-00289BF216C8
14
Ary Enoka koa, ilay fahafito nandimby an'i Adama, dia efa naminany ny amin'ireny olona ireny ka nanao hoe: "Indro, tonga Jehovah mbamin'ny masiny tsy omby alinalina
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2702A8BC-57A4-49F0-8DDF-8F4873683FAF
15
hitsara ny olona rehetra sy hampiaiky ny olona ratsy fanahy rehetra ny asan'ny haratsiam-panahy rehetra, izay nataony tamin'ny haratsiam-panahiny sy ny teny sarotra rehetra izay nitenenan'ny mpanota ratsy fanahy hanohitra Azy."
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F71517F4-8934-4F23-8D68-34BB9B001942
16
Ireo dia mpimonomonona sy mpimoimoy, mandeha araka ny filany (ary ny vavany manao teny miavonavona loatra) ka mandoka olona mba hahazoany zavatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B0B17BEE-F490-402A-B1B0-AF4E99B42734
17
Fa tsarovinareo, ry malala, ny teny voalazan'ny Apostolin'i Jesosy Kristy Tompontsika fahiny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18632BFF-4E4B-4FE9-A730-5686091C3078
18
fa efa nilaza taminareo hoe izy: Amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira, mandeha araka ny filan'ny haratsiam-panahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|147CE8A6-F7BE-4F14-84AA-8D8475D31917
19
Ireo no mahatonga fisarahana, dia olona araka ny nofo ihany fa tsy mba manana ny Fanahy. [Na: tsy mba manana fanahy.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B8D63616-AC7C-4984-A1BB-1006E6E01991
20
Fa hianareo kosa ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin'ny finoanareo masina indrindra, ka mivavaha ao amin'ny Fanahy Masina;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C74C5775-1FC0-4B70-83EE-720444B08562
21
ary tehirizo ny tenanareo ao amin'ny fitiavan'Andriamantra, miandry ny famindrampon'i Jesosy Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3BE764AA-C9C8-4137-A30A-01A8F4069AEC
22
Ary amindrao fo ny sasany izay mihanahana;[Na: raha miady aminareo izy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2BF3C36-F3C4-4E7C-A27A-E2466FA99BEB
23
ary ny sasany kosa sariho avy amin'ny afo no famonjy azy; ary ny sasany indray amindrao fo amin-tahotra, ka mankahalà na dia ny akanjo voapentimpentin'ny nofo aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|33763BF0-0079-4483-A442-51CF2F6CF7CB
24
Ary hoa an'Izay maharo anareo mba tsy ho tafintohina, ary hametraka anareo tsy hanan-tsiny eo anoloan'ny voninahiny amin'ny firavoravoana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|552354C1-CF4A-4A1E-B4A9-010F2BE7843D
25
ho an'Andriamanitra tokana, Mpamonjy antsika, amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika anie, ny voninahitra sy ny fahalehibiazana, ny fanjakana sy ny fahefana hatramin'ny taloha indrindra sy ankehitriny ary mandrakizay. Amena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E55D828-2262-4E04-95FE-78133788EC6D
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany