Apokalypsy 1: 12-18

Andininy
Protestanta Malagasy
12
Dia nitodika aho nizaha ilay feo niteny tamiko. Koa rehefa nitodika aho, dia nahita fanaovan-jiro volamena fito;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E372188C-0062-4C55-8142-6DC36800191C
13
ary teo afovoan'ny fanaovan-jiro dia nisy Anankiray tahaka ny Zanak'olona niakanjo akanjo lava hatrany an-tongony sady nisikina fisikinam-bolamena teo amin'ny tratrany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1D206DF-6C3F-4DF1-874C-E42952B7662F
14
Ary ny lohany sy ny volony dia fotsy tahaka ny volon'ondry fotsy, dia tahaka ny orampanala, ary ny masony tahaka ny lelafo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BBF35E37-63A8-4FB6-A564-BA251185573D
15
ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano, hoatra ilay voadio teo amin'ny fandrendrehana iny; ary ny feony toy ny firohondrohon'ny rano be.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|10939B58-113B-4545-9278-972C1E66FFA0
16
Ary nitana kintana fito teny an-tànany ankavanana Izy; ary nisy sabatra maranitra roa lela nivoaka avy teo am-bavany; ary ny tarehiny dia tahaka ny masoandro mamirapiratra amin'ny heriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|22CB64A9-695A-4161-ABC0-CD7AF0E87890
17
Ary raha nahita Azy aho, dia lavo niankohoka tahaka ny maty teo anoloan'ny tongony. Fa Izy nanendry ahy tamin'ny tànany ankavanana ka nanao hoe: Aza matahotra; Izaho no Voalohany sy Farany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D685036-2451-42CE-959F-D172AD00E85D
18
dia Ilay velona; efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin'ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7BB14084-1EDB-4542-A430-671647409C22
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany