Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary hitako fa, indro, nisy anjely mahery anankiray koa, nidina avy tany an-danitra sady nitafy rahona; ary ny avana dia teo amin'ny lohany, ary ny tavany dia tahaka ny masoandro, ary ny tongony tahaka ny andry afo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|103CDCF5-3A0A-4809-8028-8E374438D676
2
ary nitana boky kely nivelatra teny an-tànany izy; ary nabahany ny tongony, ka ny ankavanany tamin'ny ranomasina, ary ny ankaviany tamin'ny tany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F77DAA1B-F6C8-4277-94D4-9ACF1CB6FEEE
3
ary niantso tamin'ny feo mahery izy tahaka ny fieron'ny liona; ary nony niantso izy, dia nikotroka ny kotrokorana fito.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1CF34EA1-5011-42A7-A0DB-B678EA5E800C
4
Ary rehefa nikotroka ny kotrokorana fito, dia efa hanoratra aho, kanjo nahare feo avy tany an-danitra aho nanao hoe: Asio tombo-kase izay efa notononin'ny kotrokorana fito, fa aza soratana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3C983474-977A-4845-87C4-1F6C665FC01E
5
Ary ny anjely, ilay efa hitako, dia nitsangana teo ambonin'ny ranomasina sy teo ambonin'ny tany, ka nanangana ny tànany ankavanana ho amin'ny lanitra
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46B5D5BC-9C77-4B80-B52A-89F4E1C07DB0
6
ary nianiana tamin'Izay velona mandrakizay mandrakizay, dia Ilay nahary ny lanitra sy ny ao aminy ary ny tany sy ny ao aminy ary ny ranomasina sy ny ao aminy fa tsy hisy andro intsony;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B9AD403-8CCB-4545-A6D2-522F422114F2
7
fa amin'ny andro hitsofan'ny anjely fahafito, rehefa hitsoka izy, dia ho tanteraka ny zava-miafina izay an'Andriamanitra, araka ny teny soa mahafaly nambarany tamin'ny mpaminany mpanompony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D6C60629-26F3-4C1F-B4B4-081A1CCD49F1
8
Ary ny feo izay efa reko avy tany an-danitra dia niteny tamiko indray hoe: Mandehana, raiso ilay boky mivelatra eny an-tànan'ny anjely mitsangana eo ambonin'ny ranomasina sy eo ambonin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9CF9ECFE-8462-43B3-BF97-590C96AF4E56
9
Dia nankany amin'ny anjely aho ka nanao taminy hoe: Omeo ahy iny boky kely iny. Ary hoy izy tamiko: Raiso, ka hano avokoa io; dia hampangidy ny kibonao izy, nefa eo am-bavanao dia ho mamy tahaka ny tantely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8D728994-13BB-4B1A-99C9-5170C381AB02
10
Dia noraisiko ilay boky kely teny an-tànan'ny anjely ka nohaniko avokoa, ary raha mbola teo am-bavako izy, dia mamy tahaka ny tantely, kanjo nony voateliko, dia nangidy ny kiboko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|73124B9E-6D18-4E8F-91A1-4CE3A6D7AF9F
11
Ary nisy nilaza tamiko hoe: Tsy maintsy maminany indray hianao ny amin'ny olona maro sy ny firenena maro sy ny fiteny maro ary ny mpanjaka maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2F8D9CD8-2F65-4308-A227-D277D077D29A
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany