Andininy Protestanta Malagasy 1 Ary nomena volotara tahaka ny tehina aho, ka nisy nilaza tamiko hoe: Mitsangàna, ka refeso ny tempolin'Andriamanitra sy ny alitara, ary isao izay mivavaka ao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A10C3214-A084-45AB-B7C9-E127E5682881 2 Fa ny kianja eo ivelan'ny tempoly dia avelao ihany, fa aza mba refesina; fa nomena ny jentilisa izany, ka hanitsaka ny tanàna masina roa amby efa-polo volana izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D40F3AE3-5B22-4E6C-BC25-AC3A5DA34281 3 Ary homeko hery ny vavolombeloko roa, ka haminany enim-polo amby roan-jato amby arivo andro izy, sady hitafy lamba fisaonana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A98F150-614F-4A33-B25D-3840B3C6F009 4 Ireo ilay hazo oliva roa sy ilay fanaovan-jiro roa, izay mitsangana eo anatrehan'ny Tompon'ny tany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD9221B2-F3EA-4BCE-B065-8BF77E86313B 5 Ary raha misy ta-handratra ireo, dia misy afo mivoaka amin'ny vavany ka mandany ny fahavalony; ary raha misy ta-handratra ireo, dia tsy maintsy hovonoina toy izany koa izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D53157E6-4DED-41F5-AA23-CC50CD95A1E9 6 Ireo dia manam-pahefana handrindrina ny lanitra, mba tsy hilatsahan'ny ranonorana amin'ny andro aminaniany; ary manam-pahefana amin'ny rano koa izy hampody azy ho ra sy hamely ny tany amin'ny loza araka izay andro tiany na oviana na oviana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9747EC68-6ABE-4B4E-AD8A-95797C1E644D 7 Ary rehefa tanteraka ny filazany, dia hiady aminy kosa ilay bibidia miakatra avy amin'ny lavaka tsy hita noanoa ka haharesy sy hahafaty azy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BEC7F496-0DC2-43C1-86EA-D25A81FA6BAA 8 Ary ny fatiny hiampatra eny an-dalambe amin'ny tanàna lehibe, izay atao, araka ny hevi-panahy, hoe Sodoma sy Egypta, sady tao koa no nanomboana ny Tompony tamin'ny hazo fijaliana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5FA7CC8E-CFC0-4299-A901-3F0DBC3E45C5 9 Ary ny olona sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny firenena maro dia misy mijery ny fatiny hateloan'andro sy tapany; ary tsy avelany halevina ao am-pasana ny fatiny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7EDBCFC4-3D02-4D4F-A766-2A6742C7FDD0 10 Ary ny mponina ambonin'ny tany mifaly azy ka ravoravo, ary hifanati-javatra izy, satria nampangirifiry ny mponina ambonin'ny tany ireo mpaminany roa ireo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19FC9F17-AC12-428F-A24E-561272820283 11 Ary rehefa afaka ny hateloan'andro sy tapany, dia nisy fanahin'aina avy tamin'Andriamanitra niditra tao anatin'ireo, ary nijoro tamin'ny tongony izy, ka raiki-tahotra indrindra izay nahita azy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B57C23FE-53F1-4E5F-9E23-B513D5F371E5 12 Ary nahare feo mahery avy tany an-danitra izy roa nanao taminy hoe: Miakara aty. Dia niakatra ho any an-danitra tao anatin'ny rahona ireo; ary nahatsinjo azy ny fahavalony. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6CAE7944-2942-4767-B6D1-781144772906 13 Ary tamin'izany ora izany dia nisy horohorontany mafy, ka rava ny ampahafolon'ny tanàna, ary maty tamin'izany horohorontany izany ny olona fito arivo; ary raiki-tahotra ny olona sisa ka nanome voninahitra an'Andriamanitry ny lanitra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7B044740-4B88-427D-A36D-6BB099908D99 14 Lasa ny loza faharoa; indro, avy faingana ny loza fahatelo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3AB31249-F5CF-4804-95BF-6D89ADBFE90D
|