Andininy Protestanta Malagasy 11 Ary hitako fa, indro, nisy bibidia iray koa niakatra avy tamin'ny tany; ary nanan-tandroka roa tahaka ny an'ny zanak'ondry izy sady niteny tahaka ny dragona. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B21FF3F-0D0F-4EC4-9EF6-EF4094A7048E 12 Ary ny fahefana rehetra nananan'ilay bibidia voalohany dia asehony eo anatrehany, ary ny tany mbamin'izay monina eo dia asainy miankohoka eo anoloan'ilay bibidia voalohany, izay efa sitrana tamin'ilay feriny saiky nahafaty azy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71C33FC2-098C-4656-AED4-6F57558FEBB8 13 Ary manao famantarana lehibe izy, ka dia mampidina afo avy any an-danitra ho amin'ny tany eo imason'ny olona aza. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|007078DB-3CAD-43EC-9D33-0E7985EAC81B 14 Ary mamitaka izay monina ambonin'ny tany izy amin'ny famantarana izay nomena azy hatao eo imason'ny bibidia, sady milaza amin'izay monina ambonin'ny tany koa mba hanao sary ho an'ny bibidia, izay voan'ny sabatra, nefa velona ihany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F2069CB-5362-45B9-97C3-2F2C197DFB01 15 Ary navela hanisy aina ny sarin'ny bibidia izy, mba hahateny ny sarin'ny bibidia, ary hampamono izay rehetra tsy mety miankohoka eo anoloan'ny sarin'ny bibidia . qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DE707B99-F414-4E12-BA56-F2E0A76C9942 16 Ary ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, na ny manan-karena na ny malahelo, na ny tsy andevo, na ny andevo, dia ampandraisiny marika eo amin'ny tànany ankavanana na eo amin'ny handriny avokoa, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A698E01A-932F-44AF-8664-DA6CBDA4A206 17 mba tsy hisy hahazo hividy na hivarotra, afa-tsy izay manana ny marika, dia ny anaran'ny bibidia, na ny isan'ny anarany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D74FF133-9CAF-4CA7-87C0-50784E4D04BA 18 Indro ny fahendrena. Aoka izay manan-tsaina hanisa ny isan'ny bibidia, fa fanisan'olona izany; ary enina amby enim-polo amby enin-jato no isany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7DABF2DB-4AAF-468D-858F-A9E3FCBBA0C2
|