Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary hitako fa, indro, ny Zanak'ondry nitsangana teo an-tendrombohitra Ziona, ary nisy efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy nomba Azy, samy manana ny anarany sy ny anaran'ny Rainy voasoratra eo amin'ny handriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F6B6015E-AF6E-4E8A-9BD0-BC8DF1689382
2
Ary nahare feo avy tany an-danitra aho, tahaka ny firohondrohon'ny rano be sy tahaka ny fikotroky ny kotrokorana mafy; ary ny feo izay reko dia tahaka ny an'ny mpitendry lokanga mitendry ny lokangany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|417B19D7-BCD1-421A-8FCF-82A0E2BB98EB
3
Ary mihira toa tonon-kira vaovao eo anoloan'ny seza fiandrianana sy eo anatrehan'ny zava-manan-aina efatra sy ny loholona izy; ary tsy nisy nahay nianatra izany fihirana izany, afa-tsy ny efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy izay navotana niala tamin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9722939E-116A-4B8B-85E0-BB7047A55943
4
Ireo no tsy voaloto tamin'ny vehivavy, fa virijina izy; Ireo no manaraka ny Zanak'ondry na aiza na aiza no alehany. Ireo no navotana avy tamin'ny olona no voaloham-bokatra ho an'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3752389E-345B-4FA2-8E4C-13AC0D912368
5
Ary tsy nisy lainga hita teo am-bavany, sady tsy manan-tsiny izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EF2193B9-7E0B-4DAF-A978-4C5DDE7D347D
6
Ary hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan'ny lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hotorina amin'izay monina ambonin'ny tany sy amin'ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F470698-4B5C-4EDD-B29B-8C1AD1F32369
7
nanao tamin'ny feo mahery hoe: Matahora an'Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro fitsarany; ary miankohofa eo anoloan' Izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|327E10A1-2A70-4E0C-A2C1-05AFC117F639
8
Ary nisy iray koa, dia anjely faharoa, nanaraka ka nanao hoe: Rava! Rava Babylona hehibe! Izay nampisotro ny firenena rehetra ny divain'ny fahatezerana noho ny fijangajangany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E4B18A46-C6C1-47EB-9623-DD960DC9AEFF
9
Ary nisy iray koa, dia anjely fahatelo, nanaraka ireny ka nanao tamin'ny feo mahery hoe: Raha misy miankohoka eo anoloan'ny bibidia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin'ny handriny na amin'ny tànany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|101ED76A-3F88-46A1-BFBA-4C48D02A868A
10
dia izy koa no hisotro ny divain'ny fahatezeran'Andriamanitra, izay naidina tao anatin'ny kapoaky ny fahatezerany tsy miharoharo zavatra, sady hampijaliana amin'ny afo sy solifara eo anatrehan'ny anjely masina, sy eo anatrehan'ny Zanak'ondry izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D965B102-E93C-4D91-84B2-35139A313849
11
ary ny setroky ny fijaliany dia miakatra mandrakizay mandrakizay; ary tsy manam-pitsaharana na andro na alina izay miankohoka eo anoloan'ny bibidia sy ny sariny, na izay mandray ny mariky ny anarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CB6C8B97-9C07-46B4-B40B-4A73F1151E2F
12
Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4924DE8C-DE39-41B2-BB1A-521EFD20E85B
13
Ary nahare feo avy tany an-danitra aho nanao hoe: Soraty: Sambatra ny maty, dia izay maty ao amin'ny Tompo hatramin'izao. Eny hoy ny Fanahy, fa hitsahatra amin'izay nisasarany izy; fa ny asany manaraka azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|57F1639C-3ED5-48F6-A8B6-276EF59708C2
14
Ary indro, nahita rahona fotsy aho, ary nisy tahaka ny Zanak'olona nipetraka teo ambonin'ny rahona, Izay nisatroka satroboninahitra volamena sady nitana fijinjana maranitra teny an-tànany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6821BBFA-9D77-4726-ABA7-1A7783E54078
15
Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy tao amin'ny tempoly, niantso tamin'ny feo mahery ka nanao tamin'Ilay nipetraka teo ambonin'ny rahona hoe: Arosoy ny fijinjanao, ka mijinjà, satria tonga ny andro fijinjana; fa masaka dia masaka ny vokatry ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7328E2C8-5F01-4D9C-A324-63625EDE53B2
16
Dia naroson'Ilay nipetraka teo ambonin'ny rahona tamin'ny tany ny fijinjany, ka voajinja ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B93E1D3E-1895-417D-9FC3-D8116971FAC7
17
Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy tao amin'ny tempoly tany an-danitra, ary izy koa nanana fijinjana maranitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9BD30FA6-2717-44CA-932A-562E565B12E0
18
Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy teo amin'ny alitara, ary nanana fahefana tamin'ny afo izy ary izy niantso ilay nanana ny fijinjana maranitra tamin'ny feo mahery hoe: Arosoy ny fijinjanao maranitra, ka angony ny sampahom-boaloboka eo amin'ny tany; fa masaka tsara ny voalobony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58DF0919-E1ED-4AA1-A3C7-1EBD4CD08FE6
19
Ary naroson'ilay anjely tamin'ny tany ny fijinjana, dia nangoniny ny voaloboky ny tany ka nazerany tao amin'ny famiazana lehibe, dia ny fahatezeran'Andriamanitra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|674924CB-8541-4B1A-84A2-217C088C2BAC
20
Ary voahitsaka teny ivelan'ny tànana ny famiazana ary avy teo amin'ny famiazana dia nisy ra nahadifotra hatramin'ny lamboridin-tsoavaly ka lasa hatramin'ny enin-jato amby arivo stadio.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|93B5C820-F960-4064-87BE-CD30E5289714
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany