Andininy
Protestanta Malagasy
12
Ary ny tandroka folo, izay hitanao, dia mpanjaka folo izay tsy mbola nahazo fanjakana; fa mandray fahefana ho toa mpanjaka iray ora miaraka amin'ny bibidia izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|75A4D603-C3C9-4964-A14F-DAF0455F45A4
13
Ireo dia miray saina ka manome ny heriny sy ny fahefany ho an'ilay bibidia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7189B798-3596-45DA-BAE6-F7ECFFDC304A
14
Ireo dia hiady amin'ny Zanak'ondry, ary ny Zanak'ondry haharesy azy, satria Tompon'ny tompo sy Mpanjakan'ny mpanjaka Izy, ary haharesy azy koa izay momba Azy, dia olona voantso sy voafidy ary mahatoky.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46836A94-DE5A-4E10-9029-65558E97E7F6
15
Ary hoy izy tamiko: Ny rano efa hitanao, izay ipetrahan'ilay vehivavy janga, dia olona sy vahoaka betsaka, sy firenena maro ary samy hafa fiteny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9926DD52-50BB-4DC3-A318-3B35E1932388
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany