Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FEBB61EA-4F8E-486F-83EB-902818A6CA70
2
Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin'Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin'ny vadiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2EEC4881-A706-4CC2-A1A7-8BC361768E55
3
Ary nahare feo mahery avy teo amin'ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin'Andriamanitra dia eo amin'ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3014388E-B7FC-49AA-8BA4-095404B3F0FF
4
Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88DCC281-F9B6-48FC-B7E5-0C3B3CF64147
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany